Vahinin’ny Tia Tanindrazana anio Atoa Alain Ramaroson, filohan’ny vaomieran’ny filaminana sy fandriampahalemana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita. Nisy ny tafa nifanaovana taminy manodidina ny raharaha Remenabila any Befotaka, ny fifandraisany amin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, ny raharaha Nadine Ramaroson. Ny heviny mikasika ny tokony hialan-dRajoelina na tsia amin’ny fitantanana ny firenena. SOKELA.
Tia Tanindrazana( TT) : Nahoana no tsy nidina any Befotaka ianao izay tomponandraikitra laharana faharoa eto amin’ny firenena amin’ny resaka fandriampahalemana nefa tonga tany Bezaha tamin’ny nahafatesana Kaomandina zandary nisy namono tany an-toerana ?
Ramaroson Alain (RA) : Nandefa iraka any izay mahalala tsara iny toerana iny ny tenako manara-maso ny fandehan-javatra any. Tsy mbola nihevitra ny handeha mialoha mihitsy aho satria tsy tiako ny manembantsembana ny asan’ny sasany. Misy mantsy ireo sarontindrotiny amin’ny asany ary izay foana no olana amin’ity Madagasikara ity. Raha tokony hifarimbonana ny zava-drehetra dia misy mieritreritra foana hoe hisalovana ny asany aho dia avelako. Ny zavatra tiako ambara dia voakasik’io ny daholobe satria tsy miaramila irery no namoy ny ainy fa misy koa olon-tsotra sy andrimasom-pokonolona. Miondrika am-panajana amin’ireo rehetra nanao ny adidiny nefa lavo izahay. Ny zavatra takiako fotsiny dia ny hanaovan’ny tafika mangarahara io resaka io manoloana anay satria izahay koa anie tomponandraikitra e ! Tsy misy tatitra momba izay fandehan-javatra izay hatramin’izao. Ankoatra izay dia tokony hampahafantarina ny mpiray tanindrazana ny zava-misy marina, indrindra fa ireo mponina amin’ireo tanàna manodidina toa an’i Ranotsara, Ihosy mandalo Fianarantsoa, Miandrivazo ary hatrany Bongolava izay voasokajy ho faritra mena voalohany amin’ny resaka dahalo hanangananay ny andrimasom-pokonolona. Ny tenako dia mametraka foana fa ilaina ny fitsanganan’ny andrimasom-pokonolona manerana ny Nosy izay miara-miasa amin’ny mpitandro ny filaminana. Zava-poana izay ataontsika eto raha tsy misy izay fiaraha-miasa izay. Tsy aferan’ny miaramila intsony io fa an’ny mpiray tanindrazana, ny Malagasy rehetra.
TT : Nandefa iraka any Befotaka ianao. Marina ve ny filazana fa misy jeneraly sy minisitra ao ambadik’io raharaha io raha ny tatitra azonao ?
RA : Maro ny tsaho mandeha ary anisany izany ambaranao izany. Ny zavatra tena mahavariana dia ny fiparitahan’ireo fitaovam-piadiana. Raha tatitra nomen’ilay irako tany izay nahita ny fanaterana ireo basy dia 8 lahy izy ireo no tonga tao amin’ny Kaominina Ranotsara nanatitra kalach miisa 25 miaraka amin’ny fahana “chargeurs”. Ohatra ny olona avy eto afovoan-tany no nitarika azy ireo. Niteny mazava ry zareo tamin’io hoe : “lazao ny fitondrana fa tsy ampy fitaovana ka aza manandranandrana anay”. Hitanareo izay fa efa tsy mitovy sahady ny vaovao alefa sy ny vaovao azo. Tokony hanome vaovao marina aminay tomponandraikitra araka izany ny tafika. Izahay koa anie tomponandraikitra e ! Samy tsy misy afa-bela amin’io raharaha io. Mijoro ho an’ny tanindrazana ny tafika fa ny mpanao politika koa matoa maka toerana dia ho an’ny firenena. Midika izany fa mitovy ny tanjona dia ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy ka tsy tokony hisy fanafinafenana na fifangaroam-pahefana.
TT : Misy mpanao politika milaza fa ny raharaha toa io no mitarika ny fisaraham-bazana toy izay niseho tany Soudan. Ahiana ve ny mety hahatongavana amin’izay eto amintsika ?
RA : Ny mahasarotra ny hanaovana izay eto dia noho ny maha Nosy antsika. Tsy misy sisintany ahafahana mamatsy ara-tsakafo na koa ara-tafika satria voahodidina ranomasina i Madagasikara. Mety misy manosika anefa izay toe-javatra izay noho ny fikatsahana ny harenantsika.
TT : Azo antenaina hampihenana ny halatr’omby ve ny fanafoanana ny fandefasana omby velona any ivelany ?
RA : Izaho dia anisan’ny voalohany niresaka tamin’ny filohan’ny FAT momba an’io resaka io. Nolazaiko taminy efa roa volana izay fa ny fanondranana omby dia tokony hahantona faran’izay haingana ary asiana vaomiera manokana manadihady momba an’io. Faharoa dia noteneniko koa izy hampitsahatra ity resaka mividy sy mivarotra volamena an-dalambe ity. Isaky misy fanafihana dia vola sy volamena hatrany no alain-dry zareo. Lasa vola mora ilay izy. Any Mahajanga izay tany nilamina tsy nisy vaky trano izany dia efa mirongatra be mihitsy ny tsy fandriampahalemana izao noho ny fahasahiranan’ny olona. Tonga dia vola mantsy ny volamena no sady tsy itakiana taratasy akory.
TT : Inona aminao no vahaolana amin’ny tsy fandriampahalemana na any ambanivohitra na eto Antananarivo izay tena mirongatra tokoa tato ho ato ?
RA : Mila omena fitaovana ny andrimasom-pokonolona. Tsy afaka hiasa ara-dalàna izy ireo raha tsy misakafo sy “lampe de poche”, ohatra. Izy ireo no mahafantatra ny jiolahy sy ny vahiny any anaty tanàna any. Mila mifanome tanana ny andrimasom-pokonolona sy ny mpitandro ny filaminana vao milamina Antananarivo. Efa matetika aho no nangataka izay saingy tsy mahazo valiny mahafa-po. Mitombina koa izay fiaraha-mientana izay any ambanivohitra saingy miampy ny dina izay ny lalàna no arofaniny. Miara-manangana ny dinan’ny fiarahamonina ny mpitandro ny filaminana, ny lehiben’ny Distrika ary ny Vahoaka. Nahafahana nanosika ireo malaso ny fanofanana andrimasom-pokonolona miisa 600 tao Belobaka faritra Bongolava ny herinandro lasa teo. Nanana tsindrimandry ny hisian’ny fanafihana ny tenako fa efa nampiomana 2 andro mialoha ny lehiben’ny Groupement sy Brigade. Ny fiaraha-miasa izany no nahazoana ilay fahombiazana. Tokony hametraka laminasa maty paikady hatrany anefa fa tsy manao mpamono afo amin’ny alalan’ny fitsinjovana ny zavatra mety hitranga. Marihiko fa misy ireo mahazo tombontsoa amin’io resaka halatra omby io.
TT : Nilaza ny minisitry ny fitaterana fa “accident” no nahafaty an’i tompokovavy Nadine Ramaroson izay mifanohitra amin’ny hevitry ny fianakaviana. Inona no tsy amoahanareo ny anaran’ireo tomponantoka ary ?
RA : Ny filazana hoe “accident” dia mampiseho fa tsy matotra ny zavatra ataontsika eto. Manampahefana ambony ve no nivahiny tamin’ny tanàna iray kanefa tsy arifomba ny fomba nitsenana azy. Iaraha-mahalala koa fa tsy azo atao ny mitsaka rano eo anelanelan’i Soanierana Ivongo sy Sainte Marie rehefa mipaika ny amin’ny mitatao vovonana kanefa na olona iray aza ve dia tsy nisy nandrava izany. Fahatelo dia sambo kely tsy mahazo mitondra mpandeha no sady manana alalana hampitohy an’i Sainte Marie sy Soanierana Ivongo no nitondra azy. Maro anefa ireo sambo vaventy sady ara-dalàna ao Sainte Marie. Eo izany dia efa hita ny olana. Tapahako eo ilay izy fa hatreny an-dalana no efa nisy ny sakantsakana samihafa. Tsy mila manana CEPE angamba dia efa mahatakatra ny zavatra nokendrena fa ao raha. Izay miteny hoe “accident” iny amiko dia mila mihevi-tena kely fa ain’olona anie no nafoy tamin’io voina io e ! Ny zavatra tsy ampoizin’izy ireo dia tsy hanaiky mihitsy izahay fianakaviana ary matoa izahay manizingizina dia manana porofo.
TT : Momba izay indrindra. Iza ary ireo olona nampamono ireo ? Mpitondra amin’izao sa teo aloha sa mpanohitra sa hafa mihitsy ?
RA : Ho fantatsika tsy ho ela. Tsy hoe mampifilafila akory sanatria fa misafidy fotoana izahay fianakaviana. Tsy miandry amin’ny taona 2013 anefa ny hamoahana izany fa tsy maintsy amin’ity taona ity. Niteny i tompokovay fony fahavelony hoe tsy maintsy ambarany ny marina momba ny “bois de rose” sy ity fanodinkodinana tany eto Madagasikara ity. Efa fantapantatra avokoa izay rehetra voasaringotra amin’izany. Nahatety an’i Madagasikara koa ny tenany ary hatrany amin’ny 170.000 kilaometra ny vitany tamin’izany. Raha ny fitiavan’ny olona azy izany dia tena manahirana amin’ny resaka fifidianana. Mazava ho azy fa misy aloka lehibe ao.
TT : Toa be fahavalo ianareo. Ianao koa mantsy efa nisy tranga hafahafa nikendrena anao raha tsy hilaza afa-tsy ny tany Sakaraha farany teo ?
RA : Raha vao nisy iny fahalasanan’ny minisitra iny dia nanao fanadihadiana tany Fenoarivo Atsinanana ny tenako. May nisy nandoro ny trano fandraisam-bahiny saika nitoerako tao an-toerana ny alin’io. Soa ihany fa niakatra tao Toamasina ny tenako satria mbola nisy fotoana nihaonako tamin’ny mponina tao. Efa tamin’ny misasak’alina aho tamin’io vao tapa-kevitra hanainga. Nisy koa ny fanakanan’ny miaramila anay tao Sakaraha rehefa niverina avy any Bezaha. Nahiana ho nanafina dahalo raindahiny izahay. Nisy tetika hafahafa mihitsy aloha e ! Soa ihany fa samy nahay nahatandrina ny fihetsiny daholo fa raha tsy izay dia nifamono.
TT : Nanenjehana ny filoha Ravalomanana ny fampifangaroana ny fitantanana ny firenena sy ny fananany. Ianareo koa, raha ny fahitana azy dia manao raharaham-pianakaviana ny firenena satria minisitra koa ny vadinao?
RA : Ny nanakianana ny filoha teo aloha dia ny fampifangaroany ny tombontsoany manokana amin’ny tombontsoan’ny firenena. Izahay kosa dia ny harenanay no anompoana ity firenena ity. Ny mahatonga anay eo amin’ny fitantanana dia safidy hiaro ny firenena sy ny tombontsoan’ny Malagasy. Tsy nisy anie tombontsoa azoko tamin’ny fanampiako an’i Zafy sy Ravalomanana niakatra teo amin’ny fitondrana fa ny aty am-paosy aza no mandeha. Ny zavatra rehetra ataoko amin’izao koa dia tsy ahazoana fanampiana avy amin’ny fanjakana. Tsy manana tetibola akory aza ny vaomiera tantaniko ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita na CST. Noho ny feon’ny fieritreretana no anaovako adidy. Raha naka ny toeran’ny minisitry ny mponina sy ny raharaha sosialy ny vadiko dia noho ny fitohizan’ny asa izay efa nataon’Itompokovavy Nadine Ramaroson. Izy rahateo koa efa mpanolotsain’Itompokovavy. Izany ministeran’ny mponina izany anie ka nesorina ny 50%-n’ny tetibolany ary mbola nihena 75% izany amin’izao. Ny asa rehetra atao na amin’izao na tamin’izany dia vola am-paosy avokoa. Tarigetra nampitain’ny ray aman-dreninay anay ny fitsinjovana ny Malagasy.
TT : Voalaza koa fa nangalatra ny fiara “Mercedes 4x4” an-dRavalomanana ianao ?
RA : Volabe no nanampiako azy nampiakarana azy teo amin’ny fitondrana. Ny nifanarahanay dia haveriny ny volako. Nihodina teny ny taona fa tsy nisy resaka mihitsy ilay izy. Izay no nahatonga ahy naka ny fiarany iray ka nambarako azy hoe ity no solon’ny volako. Fantany tsara izany ary izay no mahatonga azy tsy manisy resaka amin’io mihitsy.
TT : Maro ireo nametraka an-dRajoelina tamin’ny toerany no efa niala taminy ary milaza fa tsy mety intsony ny FAT. Aiza no toerana misy anao izao ?
RA : Tokony hovoriana daholo ireo rehetra tena nanohana sy tsara sitrapo ka te hanao zavatra amin’ity firenena ity. Ilay sehatra ifampiresahan’ny rehetra izay no tsy misy amin’izao. Ny zavatra mahamenatra dia ny vahiny no lasa mibaiko antsika mianakavy izao. Ireo anie tsy mitady afa-tsy ny tombontsoany e ! Tiako ho tonga saina ny vahoaka fa ananantsika avokoa ny harenan’i Afrika iray manontolo izay midika fa tahian’Andriamanitra isika rehetra. Efa napetrany eto ilay “mana” fa tsy andrasana any an-danitra intsony. Aoka izay ny fifanenjehana sy fifaminganana fa ny fampiakarana ny firenena no ‘ndeha hatao tarigetra iraisana. Tsy manakana ny adihevitra akory izany.
TT : Mety hahavaha olana ve ny fialan’i Andry Rajoelina amin’ny fitondrana na tsy hirotsahany amin’ny fifidianana ?
RA : Rehefa ny vahoaka no nametraka anao teo amin’ny fitondrana dia tsy maintsy mahatsiaro andro aman’alina azy ireo ianao. Mametraka fanantenana aminao ireo vahoaka nitolona ireo izay tsy manana antom-pivelomana sy harapaka na hikarakarany ny vady aman-janany akory ny ankamaroany. Enta-mavesatra izany no vesarinao ao ary ny teninao dia tsy maintsy tazoninao. Tokony handinika ny mpitondra rehetra nandalo teto raha nanatanteraka ny fifanarahany tamin’ny vahoaka. Fitiavana ve sa tsia ny miala ? Mila mametra-panontaniana izy. Manana adidy hiteny ny zava-misy marina ny mpitondra na fahadisoana na zava-tsoa. Ny hambom-po diso toerana eto no tena betsaka hatrizay.
TT : Inona no sakana amin’ny fodian-dRavalomanana an-tanindrazana kanefa ny SADC aza manomana fihaonany amin-dRajoelina hikaroham-bahaolana ?
RA : Izay any ivelan’ny tanindrazana dia any ivelany. Isika eto no mahalala ny fiarahamonintsika eto. Raha te handaminana tokantranon’olona ianao dia amboary aloha ny tokantranonao, izany hoe, isika aloha no tokony hifandresy lahatra ary tsy atao lamaody fotsiny ilay hoe “inclusivité” sy “ consensualité”. Aoka tsy hampiasaina araka izay itiavana azy ny teny hoe : “Masina ny tanindrazana”. Maro koa ireo teny nampiasaina teto toy ny hoe : “Tsy lahatra akory ny fahantrana”, “Fahamarinana sy fahamasinana” ary koa “Hambompom-pirenena”. Aza tenintenina ireny rehefa tsy vita sao lasa mahamenatra ny fampiasana azy rehefa avy eo.
Nangonin’i Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.