Politique

Soamahamanina Inona no hitranga ato anatin’ny 72 ora ?


  • Alakamisy 30 Jona 2016

Tantara mitohy ny fifandroritana manodidina ny fitrandrahana volamena ataon’ny orinasa sinoa Jiuxing Mines eny Soamahamanina, Miarinarivo Itasy.

 

 An-daniny, manohitra marindrano izany ny ankamaroan’ny vahoaka, izay mahatsiaro nofitahina tamin’ity raharaha ity. Nisy hetsi-panoherana nataon’izy ireo ny talata teo, sady nitaky ny fialan’io orinasa io teny an-toerana, ao anatin’ny 72 ora fa tandindomin-doza ny rano toy ny reniranon’Ikalariana, Riatra sy ny ala voajanahary, mamelona ny mponina, raha tsy misy fepetra maika sy matotra.

Tamin’ny zoma 24 jona no efa nanomboka niasa ny sinoa. Mifanaretsaka eny an-tanety ny fiarabe mitrongy tany, mikipaka ny tanety, ripaka ny alan-tapia. Haharitra 40 taona azo havaozina ny fahazoan-dalana eo am-pelatanan’ny orinasa.

Heverin’ny mponina ho fihantsiana izao ka nisy ireo tanora nisendaotra, saika hiditra ny faritra hiasan’ny Sinoa handroaka azy ireo ary hanery ny Ben'ny tanànan’i Soamahamanina hiala amin’ny toerana fa “mahay lela roa”, hoy izy ireo.

Tsy niandry ela akory ny avy ao amin'ny OMC hivondronan'ireo mpitandro ny filaminana fa namoaka filazana an-taratasy mampitandrina izay alaim-panahy hanao fihetsiketsehana ao an-tanànan'i Soamahamanina. Mihenjan-droa ny tady, ary ahiana ny fiarahamonina eny an-toerana manoloana izany.

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT