Politique

SMM, PARAMED, Mpampianatra mpikaroka, mpitatitra … Hiara-hihetsika


  • Zoma 15 Jona 2012

Leo ! Izay no ambentin-tenin’ireo sendika samihafa manoloana ny zava-misy ankehitriny.

 Leon’ny fandrirarirana, leon’ny fitapitapitaka ataon’ny mpitondra, leon’ny fandikan-dalàna maro samihafa ary leon’ny tsy fandriampahalemana sy ny fahantrana mihatra aman’aina izy ireo. Samy nanambara ny maharary azy avy ny tsirairay saingy ny iraisana kosa dia ny fahatsapana fa tsy mety ary tsy mandeha amin’izay laoniny intsony ny zava-misy ankehitriny ka hijoro izy ireo, hanambatra ny hery handray andraikitra. Ny SMM, NY STEM (sendikan’ny mpiasa eo amin’ny tontolon’ny fanabeazana), ny SEHMBIOSE (sendikan’ny mpiasan’ny Banky Foibe), ny SISFM fantatra amin’ny Paramed, ny solontenan’ny SECES sy ny mpitatitra ary ny HMF no niray feo nanao ny fanambarana.

Nilaza i Auguste Marius Arnaud, filohan’ny sendikan’ny mpitsara fa efa hahavita fe-potoam-piasana iray izao ny mpitondra saingy tsy misy mihitsy ny fitsinjovana ny taranaka ho avy. Mbola manjaka hatrany foana ny fanaovana ny fitsarana ho fitaovana ary tsy hita taratra amin’ny mpitondra mihitsy izay hitondra fanovana. “Izay olom-bitsy mitam-basy atahorana ihany no henoin’ny fanjakana”, hoy izy. Nokianiny koa ny fampanantenana poak’aty hampidinana ny vidim-piainana natao nandritra ny tolona tamin’ny 2009. Eo amin’ny lafiny politika dia manahy ny tenany fa tsy hisy ny fifidianana amin’ity taona ity sy amin’ny taona ho avy raha izao fandehan-javatra izao satria mahita hoforonina foana ny mpitondra, araka ny fanehoan-keviny hatrany. Ry zareo Paramed tamin’ny alalan’ny sekretera jeneralin’ny SISFM, Rakotondrasana Valérien, koa dia nanambara mazava fa tsy misy mandeha amin’ny laoniny intsony ny raharaha ka tapa-kevitra izy ireo hamondrona ny hery miaraka amin’ireo sendika namana. Nopotseriny koa ny fitapitaka atao azy ireo lava izao satria raha nahita marimaritra iraisana momba ny fitakian’ny Paramed ny komity manokana dia zavatra hafa mifanohitra amin’izany tanteraka no nambaran’ny minisitry ny vola tamin’ny fihaonany tamin’ny parlemanta omaly.

Etsy andaniny dia sazy no miandry izay sahy miteny ny tsy mety ataon’ny mpitondra. Nijoro vavolombelona amin’izany i Aina Rakotozafy mpiasan’ny Banky Foibe sady mpikambana ao amin’ny sendika SEHMBIOSE. Tratry ny fandroahana tsy miasa nandritra ny roa herinandro ny tenany rehefa nitsangana nanohitra ny fitantanana tsy mety eo anivon’ny Banky Foibe. “Tsy misy nohajaina mihitsy ny andininy telo amin’ny sata mifehy ny Banky Foibe tamin’ny fanendrena ny mpitantana vaovao sy ny fomba fitantanana satria ny tale jeneraly samirery no manapaka raha tokony hakana ny hevitry ny filankevi-pitantanana ny fanapahan-kevitra. Raha ny sata aza hitsahina, ahoana no hahazoana toky fa mahaleotena sy ara-dalàna ny fitantanana ny volam-panjakana ao ?”, hoy i Aina Rakotozafy.

Tsy hisy lanjany intsony ny vola Malagasy raha mitohy ny gaboraraka ao amin’ny Banky Foibe, araka ny fanahiany, satria havoaka fotsiny sisa ny vola rehefa ritra ny volam-panjakana. Nitatitra koa ny filohan’ny STEM fa efa hatrany amin’ny 2010 no nanao fitakiana momba ny fampiharana ny marikarama mitovy ho an’ny mpiasam-panjakana ry zareo saingy tsy nisy mpihaino. Dia io mihetsika io koa ny SEMPAMA. Resaka famonoana afo sy fandrebirebena fotsiny sisa no ataon’ny FAT, hoy ny solontenan’ny SECES ary tsy ry zareo mpampianatra mpikaroka irery no iharan’izany. “Ampy izay fa fotoan’ny fifanomezan-tanana izao”, hoy ny filohany. Ampahany amin’ny antsojay atao amin’ny mpiasam-panjakana ireny fa tsy hadinon’ny solontenan’ny HMF, Ramamonjisoa Philibert, mpitandrina, koa no nampatsiahy ny aretina mikiky ny fiarahamonina sy ny sarambabem-bahoaka amin’izao fotoana, dia ny resaka tsy fandriampahalemana izay tsy voafehin’ny mpitondra ankehitriny. Porofon’izany ny zava-misy any Befotaka amin’izao. Namintina ny antso ho an’ny vahoaka ny tenany raha nilaza fa “tsy azo leferina intsony izao ka mila mijoro fa tsy ny manam-basy ihany no manodina ity firenena ity”. Efa endrik’izay fiaraha-mientana izay ny fiarahan’izy ireo nanao fanambarana omaly. Nomarihan’ny filohan’ny SMM fa ara-dalàna izao fiaraha-mientan’ny sendika izao, maro ihany koa, hoy izy ireo antokon’asa miombon-kevitra miara-dia amin’izy ireo toy ny “Inspection du travail” sy ny fikambanan’ireo orinasa niharam-boina tamin’ny 26 janoary 2009.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT