Manoloana ny raharaha mampifanenjana ny fianakaviamben’ny mpitsara sy ireo andiana Polisy ao amin’ny GIR (Groupe d’Intervention Rapide), manohitra ny fampiharana lalàna dia nisy ny tafatafa nifanaovana tamin’ny Sekretera jeneralin’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara, Razafindrakoto Andriantojo, araka izao manaraka izao.
Tia Tanindrazana (TT) : Inona no zavatra tena niseho tamin’ny talata 24 jolay farany teo ?
Razafindrakoto Andriantojo (R.A) : Nisy mpitandro ny filaminana miisa 5 nampidirin’ ny fitsarana am-ponja vonjimaika fa voarohirohy tamin’ny famonoana mpandraharaha iray tetsy 67 ha tamin’ny volana mey tamin’ity taona ity. Nitondra basy ry zareo notsaraina. Midika izany fa misy endrika fampitahorana ny mpitsara sy ny lalàna. Nisy namany 30 lahy teo ho eo niditra an-keriny tao amin’ny fitsarana rehefa nivoaka ny didy fa halefa ho eny Tsiafahy ireto namany.
T.T : Inona no tena olana manoloana ny lalàna ?
R.A : Fanaovana tsinontsinona didim-pitsarana izany ary fandikan -dalàna tanteraka.
T.T : Misy ve izany ny sarangan’olona ambonin’ny lalàna ? Nahoana no rehefa ny madinika no diso dia ampiharina ny lalàna, nefa misy ny sasany manitsakitsaka ?
R.A : Miverina indray ny endrika fanitsakitsahina lalàna tahaka ny raharaha «Rehavana». Tsy manana fahaleovantena intsony ny fitsarana fa lasa ny hery no mitondra ny lalàna.
T.T : Inona no hataonareo mpitsara ?
R.A : Hampiantso fivoriana haingana ho an’ireo namana rehetra eto amin’ny manodidina an’Antananarivo. Tsy maintsy hijoro hatramin’ny farany ny mpitsara satria ho potika ny firenena raha izao no mitohy. Lasa ho toerana fanenjehina ny madinika izy ity sisa raha izao no mitohy. Marihina fa ny antony mampijoro ny mpitsara dia ho «fampiharana» ilay teny filamatra hoe : «Ho fialofan’ny malemy, ho toeram-pikarohana ny marina ary ho andrim-pirenena». Ny mifanohitra amin’izany anefa no mitranga amin’izao satria ny zavatra tsapa dia misy ny tsy fitovian’ny rehetra eo anatrehan’ny lalàna. Ireo izay manana ny hery dia manana fitaovam-piadiana, ireo izay manana Fahefana ara-politika na ara-bola dia lasa ambonin’ny lalàna ! Hiteraka korontana ara-piarahamonina ary tsy voafehy intsony izany toe-javatra izany raha mitohy satria hitroatra ireo izay mahatsiaro voahosihosy sy voan’ny tsindrihazolena.
TT : Isaorana manokana ianao nanaiky izao fanadihadiana manokana izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.