Politique

SMM Heloka bevava ny "26 janvier"


  • Alakamisy 31 Mey 2012

Manoloana ireo fitakiana sendikaly samihafa miseho ankehitriny ary koa ny fijoroan’ireo niharam-boina tamin’ny 26 janoary 2009, dia nisy ny tafa nifanaovan’ny Tia Tanindrazana tamin-dRazafindrakoto Andriantojo Nantenaina, mpitsara, sady Sekretera Jeneralin’ny Sendikan’ny Mpitsara Malagasy na SMM, araka izao manaraka izao.

 Tia Tanindrazana (T.T) : Efa milamina ve ny eo anivon’ny sendikan’ny mpitsara sy ny fanjakana ?

Razafindrakoto Andriantojo Nantenaina, Sekretera Jeneraly SMM (SG SMM) : Raha hatreto aloha dia mbola misy ny tsy fitovian-kevitra aminay. Ny antony dia tsotra ihany, tsy mbola nisy fanatanterahana mihitsy ny fampanantenana natao tamin’ireny fifanarahana ireny.

T T : Ny fitakianareo ve anefa azo tanterahina tsara sa mety kosa ho filam-baniny ?
SG SMM
: Ry zareo anie ka nanaiky ny fitakianay e ! Matoa izy nanao izany dia azo tanterahina izany. Fa nahoana no tsy mitazona ny teniny izy ? Izahay nefa dia niverina niasa taorian’ireny satria olon-dehibe nifanaiky. Ary izany fitakiana natao izany dia fitakiana niarahana nandinika tamin’izy ireo fa tsy hoe noterenay na noforoninay irery. Izahay koa anie hatrizay ka tsy nitady afa-tsy ny rariny sy ny hitsiny e. Tsy fitakiam-bola mihitsy anie no notadiavinay fa ny marina no tianay hanjaka.

T.T : Inona indray no hetsika tianareo hatao ankehitriny. Ary ianareo mpitarika ireo ve mbola eken’ny mpitsara rehetra ?
SG SMM : Hampiantso “Assemblée Générale” izahay atsy ho atsy. Ny fivoriam-be ihany mantsy no rafitra manapa-kevitra fa izahay mpitondrateny fotsiny ihany. Raha ny fanontaniana faharoa indray dia mazava aminay fa mbola atokisan’ny mpitsara rehetra izahay satria dia 70% anie no vato azon’ny filoha mpitarika sy ny mpiara-miasa aminy, tamin’ireny fifidianana farany ireny e ! Izahay koa anefa dia tsy mandidy fa izay lanin’ny besinimaro no arahinay fa tsy ny hevitray manokana akory.

T.T : Ahoana ny hevitrareo manoloana ny feo etsy sy eroa momba ny fitanilana misy eo amin’ny fitsarana, raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ny raharaha «26 janvier 2009» izay toa hodian-tsy hita ankehitriny ?
SG SMM
: Tsorina ny resaka, tena mahatsapa fitanilana tokoa izahay ankehitriny eo anivon’ny fitsarana. Izay mihitsy no tena antony nanaovana ila atrikasa momba ny fitsarana, noho ny fahatsapana fa ataon’ny fitondrana mpanatanteraka fitaovana hanenjehana ireo tsy mitovy hevitra aminy ny fitsarana. Ary indrindra, hikipiany maso amin’ireo izay tiany harovana.

Izahay eto anivon’ny SMM dia efa nanameloka izany fitanilana izany, raha tsy hiresaka afa-tsy ilay fitsarana nisy tamin’ilay mpanao politika ambony vao tamin’ny volana febroary tamin’ity taony ity.

Raha ny momba ny «26 janvier 2009» indray dia efa hitam-poko hitam-pirenena ny fandikan-dalàna nisy, izay niteraka fahafatesan’olona sy fahapotehan-javatra maro be ; na fananan’olon-tsotra, indrindra fa ny fananam-bahoaka izay izaho sy ianao no tompony, ary niteraka fahapotehana ara-toekarena goavana. Tsara ny manamarika fa ireny heloka ireny dia voasokajy ho «heloka bevava», izay azon’ny fampanoavana henjehina foana ao anatin’ny folo taona. Hatreto anefa izahay eto anivon’ny SMM dia tsy mahalala ny momba io dosie «26 janvier» io. Hanao izay azonay atao izahay hampivoaka ny marina ka hampanjaka ny rariny sy ny hitsiny, araka ny foto-kevitra ijoroan’ny fitsarana.

T.T : Inona no atao hoe fitsarana azo itokisana raha araka ny hevitry ny SMM ?
SG SMM
: Aminay ny fitsarana azo itokisana dia fitsarana hajain’ny rehetra. Na mpitondra ambony, na manana hery sy fahefana manao ahoana, na olon-tsotra, eny fa na dia izahay mpitsara izao aza dia eo ambany lalàna avokoa ka azo saziana raha toa ka misy fandikan-dalàna. Noho izany, araka ny efa nangatahanay taorian’ny fanasoniavana ny «Feuille de route», dia tokony ho izahay eo anivon’ny SMM no hifidy sy hanendry izay ho minisitry ny fitsarana. Amin’izay fotoana izay mantsy dia tsy hatahotra ny mpitondra ary tsy hanaiky hobaikony intsony izay minisitra ho eo, satria tsy izy no nanendry azy.

Ny fitsarana mantsy no fototry ny fampandrosoana rehetra. Rehefa mijoro tsara ny lalàna sy ny fampiharana azy, dia hihena ny kolikoly sy tsindrihazolena izay mamotika ity firenena mamintsika ity sy i Afrika manontolo.

T.T : Inona no vahaolana atolotrareo manoloana ny fitakiana misy eo anivon’ny sendika maro ?
SG SMM
: Tsy gaga aho manoloana ireo sendika maro be izay mitaky ny zony na izay nampanantenaina azy ireny. Misy tokoa mantsy ny fitanilana eo amin’ny samy mpiasam-panjakana ankehitriny, tahaka ny zava-misy miaraka amin’ny tafika vitsivitsy, izay roa andro monja dia azony izay nangatahiny.

Ny fangatahanay SMM manokana dia antitranteriko fa tsy mbola nisy tanteraka na dia ny fepetra kely indrindra nifanarahana aza.

Tia Tanindrazana

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT