Niakatra ny feo tamin’ireto vondrona maromaro miara-dia ireto tamin’ny faran’ny herinandro teo.
Nampiray hery mantsy ireo fikambanana ireo satria samy miara-mahatsapa ireo zavatra tsy mety maro amin’izao fitondrana izao. Tsy manaja ny teniny ary zary toa mpamono afo fotsiny ihany izao fitondrana izao. Na eo anivon’ny sendika maro izay mitaky fanovana izany, na amin’ny ara-politika, araka ny hijoroan’ny HMF hoe : “Tsy misy nohajainy ny teny izay nomeny, hatrany amin’ny vary 500 Ar ny kilao ka hatramin’ny fifamelan-keloka marina, izay fototra hanaperana izao fampijaliam-bahoaka izao”.
Ireto sendika maro be indray dia milaza fa manana ny maha izy azy avokoa ny olom-pirenena rehetra na dia tsy mitondra fitaovam piadiana aza. “Izahay anie no nampianatra ireny mpandatsa-dranomaso ny Malagasy ireny e ! Nahoana no tsy henoina mihitsy izahay ?”, hoy ny mpampianatra ambony iray avy eny Ankatso raha nampatsiahy fa dia tsy misy tanteraka ireo didim-panjakana mody namboarina momba azy ireo tamin’ny 2009. Nahoana no hiangarana tsotra izao ireo manam-basy vitsivitsy nefa tsy hisy marary azo tsaboina amin’ny basy ?’. Io no tenin’ny avy ao amin’ireo mpitsabo maromaro tonga naneho ny firaisankinany amin’izao hetsika izao. Ny an’ireto farany dia notsipihiny fa efa ao anatin’ny fitakiana tanteraka ry zareo, ka tsy hisalasala hiara-dia amin’ny besinimaro raha ilaina.
Raha ny an’ny mpitsara indray dia nanambara fa ny fitanilana no tena manahirana azy amin’izao fitondrana izao. Mahatsiaro atao fitaovana tokoa mantsy ny mpitsara ankehitriny manoloana ny politika. Izy ireo moa dia nanome toky fa vonona hijoro hatramin’ny farany, mandrapahatontosa izany fitsarana marina sy tsy mitanila izany.
«Tsy sanatria hiandry ny tahaka izay niseho tatsy Zimbabwe izahay vao hilaza fa famotehana firenena izao misy izao», hoy ny mpitondra tenin’ny mpiasa avy amin’ny Banky Foibe. Any amin’io firenena io tokoa mantsy, hono, dia vola entina amin’ny harona vao ahazoana voatabia iray. Izany no antony hijoroan’izy dieny izao fa sao ho tara loatra vao ho tonga saina.
Matoky tena nefa ireto fikambanana ireto fa dia tsy maintsy hahomby izao hetsika fanairana izao, satria dia ny firaisankina ihany no hery hialana amin’ ny tsy rariny amin’izao krizy lavareny tsy mety voavaha izao. Ary mbola io firaisankina io ihany koa no hery afaka hiaro ny tsirairay satria ny mitabe tsy lanin’ny mamba.
Teo am-pamaranana dia niala tsiny amin’ireo vahoaka Malagasy sahirana mety voaelingelina amin’ireny hetsika samihafa ireny ireto fikambanana ireto, izany mantsy, hono, no natao dia mba hitsinjovana ny hoavy izay hodimbiasan’ny taranatsika. Marihina fa dia ireo olona tena mitarika ny sendika daholo no ankamaroany naneho ny heviny ireto, ary araka ny filazan’izy ireo, dia feo avy amin’ny sendika avokoa no entiny fa tsy feony manokana akory.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.