Politique

Sivana ao amin’ny TVM sy RNM Lasibatra koa i Patrick Raharimanana


  • Alatsinainy 17 Septambra 2012

Mijanona ho an-tsoratra fotsiny ihany ilay andininy faha-17 ao amin’ny tondrozotra, voasonia herintaona lasa izay, eny fa na dia efa navadika ho lalŕna (2012-114) hatramin’ny 27 janoary 2012 koa aza.

 Raha miaro ny fahalalahana maneho hevitra, ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety io andininy io dia ny mifanohitra amin’izay no misy sy iainana satria dia vao mainka mahery vaika ny sivana amin’ny haino amanjerim-panjakana. Lohalisitra amin’izany ny mpanohitra, voafaoka tao koa ny Praiminisitra lehiben’ny governemantan’ny firaisam-pirenena, dia izao mitatra amin’ireo Malagasy efa nitonona, na tsy ofisialy aza fa ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy manaraka eo. Ny re farany izao dia i Patrick Raharimanana, mpitarika ny fikambanana “Vitatsika io” ary anisan’ny mpanorina ny KMF/CNOE, izay raha ny fantatra dia tokony ho vahinin’ny fandaharana “Savaravina” tao amin’ny RNM ny alin’ny alahady 16 septambra 2012, ary efa voalahatra horaisim-peo mialoha mihitsy izy ny herinandro lasa iny saingy noho ny teny midina miendrika sivana dia tsy nolavina tampoka teo. Na izany aza anefa dia tsy ireo nilaza fa kandida rehetra no tratry ny sivana, satria mahazo maneho hevitra malalaka ao hatramin’izao ohatra, ny filohan’ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara, Saraha Georget Rabeharisoa.

Araka ny fantatra dia any amin’ny Nosy Maorisy any i Patrick Raharimanana amin’izao fotoana, mihaona amina mpitondra, mpandraharaha ary koa teratany Malagasy any an-toerana, fihaonana tafiditra amin’ny fanomanany izay filatsahan-kofidiany izay.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT