Politique

Siotsioka etsy, hogahoga eroa Tezitra amin'ny mpitondra ny Vahoaka


  • Alarobia 11 Aprily 2012

Efa tena leon'ireo mpitondra FAT tarihan'i Andry Rajoelina ny olona ary maneho izany amin'ny fomba tena mivantana.

 Afak'omaly izao dia nahazo ny anjarany Rtoa Elia Ravelomanantsoa minisitry ny kolontsaina. Siotsioka tsy nifandrenesana no nasetrin'ny mpijery Mahaleo azy tao amin'ny lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, raha hanolotra mariboninahitra ireto andrarezin’ny kanto Malagasy ireto. Tsy nisy herinandro nialoha io dia nosiahan'ny mpijery baolina lavalava teny amin'ny kianjaben'i Mahamasina ihany koa i Andry Rajoelina. Efa voasiotsioka tahaka an'izany ihany koa ny praiminisitra teo aloha Camille Vital nandritra ny Afrobaket Women. Olon-tsotra efa leo ny mpitondra sy mpanao politika FAT ireo maneho ny fahasosorany amin'ny alalan'ny sioka ireo. Miainga ho azy, tsy voizina akory, ilay sioka vantany vao misy salovan-tavana mpitondra migadona amin’ilay toerana vory vahoaka. Afa-baraka tanteraka amin'ireny zavatra ireny ny mpitondra ary tokony ho tonga saina fa efa tsy ankasitrahan'ny vahoaka intsony izy ireo. Ary tsy mifidy toerana, fa hatramina fahoriana aza, toy tamin’ny nahafaty an-dRaoul (Tarika Mahaleo) dia miseho izany.

Ekena mihitsy fa hoe fanovana no nisy teto, mety nitombo kokoa ny fahasahiana amin'ny fanehoan-kevitra, kanefa ara-tantara sy araka ny fitadidiana dia tsy mbola nisy mpitondra afa-baraka sy voasioka imasom-bahoaka amina lanonana goavana tahaka ireny teto Madagasikara hatramin'izay, na tamin'ny fitondrana Marc Ravalomanana io na Didier Ratsiraka na Zafy Albert. Samy nahitana mpanohitra tsy mitovy hevitra tamin'ny mpitondra anefa tamin'ireo fitondrana rehetra nifandimby ireo. Telo taona no lasa dia efa leon'ny fitondran-dRajoelina ny olona, leon'ny fampanantenana poakaty, leon'ny fampandriana adrisa, leon'ny fieboeboana sy fanangonan-karena mibaribary hita maso ataon'ireo mpitondra sasany, leon’ny hery famoretana sy ny fanapenam-bava.

Tsara hotaterina eto ihany fa efa nisy nitoraka tamin'ny vato ihany koa ny fiara nitondra an’i Andry Rajoelina, ary tany Toamasina aza dia nisy sahy nangalatra tsotra izao ny finday Balckberry an'i Mialy Rajoelina. Mampanahy ny tranga tahaka izany satria porofo mivaingana sy hita maso fa tezitra amin'ny mpitondra fanjakana ny Vahoaka, ary manomboka mampiseho izany ampahibemaso. Raha mitombo io fahasosorana sy fahatezerana io dia mety ho hita atsy ho atsy eto amintsika ny filoham-pirenena voatoraka kiraro na rano maloto, na koa minisitra misy mitifitra totohondry eny imasom-bahoaka, na mpikambana CT na CST misy mamelaka tehamaina eny Analakely. Vokatry ny krizy daholo izany rehetra izany, ary manaporofo ny tsy fahaizan'ny mpitondra mamaha haingana ny olana misy eto amin'ny firenena.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT