Nivoaka tamin’ny fahanginana indray i Vahombey omaly manoloana ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny. Ninia nangina aho hatramin’izay, hoy izy.
Anisan’ny tsy tantiko amin’izao fotoana ary tsy maintsy hitenenako ny ataon’ny filoha Hery Rajaonarimampianina sy ny praiminisitra Solonandrasana Olivier ny amin’ny nampidirany ireo Silamo mahery fihetsika eto amintsika. Efa eto amintsika avokoa izy ireo, hoy hatrany ity kandida tamin’ny fifidianana filoham-pirenena 2013 ity ary efa tapitra manapotika ny sarin’ny Masina Maria any amin’iny lalam-pirenena fahafito iny. Toraka izany koa ny any amin’ny Faritra Itasy, ny faritra avaratra ary ny any ambanivohitr’i Mahitsy izay mampitondra faisana ny vahoaka malagasy avokoa. Ireo Silamo eto an-toerana no maty mandoa ekolazy amin’ireo mahery fihetsika ireo satria na ny mamaky korany aza tsy hain’ireto farany sady tsy manamarika ny iray volan’ny ramadany akory izy. Nomarihin’i Vahombey manokana moa fa ny zava-misy any Centrafrique no tadiavin’ny filoha sy ny ekipany hotanterahina eto, fikarohana izay efa nataon’i Vahombey manokana nandritra ny nivoahany tany amin’ity firenena iray ity. Anisan’ireny ny fametavetana ny zaza amam-behivavy. Notsindriany ihany koa fa efa in-droa saika nisy namono izy nandritra ny famonjena fodiana avy eto Antananarivo hiazo an’Antsirabe ny volana mey 2016 lasa teo noho ny filazany ny marina.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.