Politique

Shabberah “Ny fihaonan-dRavalomanana sy Rajoelina no vahaolana”


  • Alatsinainy 18 Jona 2012

Nampatsiahivin’ilay “mpahita” manana taratasy ara-panjakana atao hoe : “Dame Shabberah” fa efa vahaolana noresahiny efa-taona lasa ny fihaonan’Atoa Andry Rajoelina sy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.

 Tamin’izany fotoana izany no nilazany fa ny fihaonan’izy roa lahy irery ihany no hitondra vahaolana ho an’ny krizy. Lalan-tokana hamaranana ny tetezamita ny firesahana sy fifampidinihan’ny filohan’ny FAT amin’ny filoha teo aloha ka vantany vao raikitra ary misy tokoa ny fihaonana dia rava ny tsena ary mifarana ny tetezamita. “Fepetra iray hivoahana amin’ny krizy izay tsy azo ihodivirana izany”, hoy izy. Ilaina ihany koa anefa ny manafaingana araka izay tratra ny fifidianana.

Mazava anefa fa fifidianana ara-dalàna, madio sy mangarahara no ilaina eto amin’ny firenena. Naveriny hotsiahivin’ny mpanao gazety ho an’ny Malagasy rehetra moa fa resaka efa nataony sy antso efa natsipiny taona vitsy lasa ity fihaonana ity ka izao vao mazava fa manangasanga ny fifaranan’ny tetezamita izay naharitra ela loatra. Manoloana ny klioba satanista izay mampihorohoro ny Malagasy amin’izao fotoana kosa dia tsy nihambahamba ny tenany nanambara fa fahavalo efa resy i Satana amin’izao fotoana ka ny manadio fo amam-panahy ihany no tokony hataon’ny Malagasy ary mila mametraka sy manankina ny fiainany amin’Andriamanitra ny tsirairay avy.

Nofy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT