Resabe tato ho ato ny hoe nisy minisitra nandoa vola ana miliara mba ho takalon’ny seza tao anatin’ny governemanta vaovao.
Tafaresaka momba an’io tranga io tamin’ny mpanao gazety omaly ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly. Nambarany ary fa tsy afaka milaza izy na marina io resaka io na diso satria tsy misy ny porofo hita mivaingana. Nanome lesona ny mpanao gazety moa ny praiminisitra hoe mba tokony hohamarinina tsara ny vaovao avoaka fa sao manahirana. Fomba firesaka efa mahazatra izany fa ny nandrasan’ny rehetra dia ny hoe hosokafana ny fanadihadiana mba hahafantarana na nisy tokoa minisitra nandoa vola mba hahazo toerana. Tsy nisy resaka anefa ny momba izany fa dia io valin-teny boribory io no azo tamin’ny praiminisitra. Raha tena misy marina anefa ny mangarahara sy ny hoe fanjakana tsara tantana dradradradraina matetika eto dia irosoana avy hatrany ny fanadihadiana vantany vao misy feo mivoaka tahaka izao fa tsy ny mpanao gazety foana no soketaina ho mpandainga na mpampiady olona. Efa malaza loatra eto mantsy ny resaka vola amin’ny baoritra sy ao anaty malety mivezivezy etsy sy eroa ka fotoana angamba izao hanatsikafonana ny tena marina raha tena governemanta hiady tokoa no misy eto.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.