Politique

Sesitany politika 2002 Lera ! Ho avy i Deba


  • Alatsinainy 21 Novambra 2011

Tsy nisalasala Atoa Tantely Andrianarivo raha nilaza fa tsy mbola amin'ity taona ity no hiverenan'ny amiraly Ratsiraka eto an-tanindrazana fa any amin'ny herintaona any raha ho tanteraka.

 Nilaza izy tamin'io fa tsy mbola voakarakara akory na ny trano honenany eto aza. Fotoana fohy taorian'io anefa dia namaly ny Printsy Elakovelo fa amin'ny faran'ny volana novambra raha ho ela dia higadona eto ity filoha teo aloha ity. Nampian'ny fanamafisana nataon'ny Amiraly, ny sabotsy teo izany. Nilaza ny tenany tamin'ny alalan'ny fanambarana tamin'ny antso an-tariby fa ny faha-23 na 24 novambra izy no higadona eto, miankina amin'ny sidina handehanany. Ary tsy resaka manidina intsony io, hoy ny tenany fa tena zava-misy marina. Tsy nety niresaka politika mihitsy ny Deba tamin'izany.

Nambarany kosa fa eto an-tanindrazana no anomezany ny heviny mikasika ny raharaha politika. Sivy taona sy efatra volana izay no nijanonany nanao sesitany ny tenany tany am-pitandranomasina ary izy izao manambara fa hiverina izao. Tsy fantatra kosa izay trano honenany sy hitoerany fa ny hany nambarany dia tsy maintsy mahita trano hitoerana foana izy rehefa tonga. Dia miandry ny ekipany sy ireo rehetra manantena azy sy izay sosokevitra harosony. Etsy andaniny kosa, maro ny miforitra sy mitady hanao tsipak'ombalahy... Tsy fantatra na mety hisy fiovana indray amin'ny ora farany na tsia, na mety hametrahana NOTAM hafa koa ny tenany, fa ny tena andrasana dia ho hita eo izay nilaza ny marina na ingahy Tantely Andrianarivo na ny printsy Elakovelo.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT