Politique

Serge Zafimahova “Tsy hisy fifidianana amin’ity taona ity”


  • Alakamisy 31 Mey 2012

Ho an’i Serge Zafimahova, filohan’ny CDE (Club Développement et Ethique), dia tsy azo antenaina ny hahavitana fifidianana amin’ity taona 2012 ity raha ny lafiny teknika no jerena.

 Aminy mantsy dia tsy mety raha fanitsiana ny lisi-pifidianana efa misy fotsiny no atao fa tena fanamboarana lisi-pifidianana iray vaovao mihitsy, izany hoe averina ny fanisam-bahoaka isam-pokontany. Nambarany fa manodidina ny telo tapitrisa ny olona tsy voasoratra tao amin’ny lisi-pifidianana nampiasaina nanaovana ilay fitsapan-kevi-bahoaka tamin’ny 17 novambra 2010. Tsy azo itokisana iny lisitra iny, hoy izy satria tsy maintsy hiteraka fifanolanana ny fampiasana azy. Eo amin’ny lafiny teknika sy ny fitaovana ampiasaina amin’ny fifidianana kosa indray dia nambaran’i Serge Zafimahova fa mbola volabe am-polony tapitrisa “euros” no tsy maintsy ilaina, vola izay tsy mbola eo am-pelatanan’ny CENIT hatramin’izao.

Anisan’ireo olona tsy resy lahatra amin’ny hahavitana fifidianana amin’ity taona ity i Serge Zafimahova, satria aminy dia mila fanomanana tsara izany fa tsy teren-ko masaka toa voalobo-jaza fotsiny. Eo amin’ny lafiny ara-politika kosa dia tokony hambara mazava tsara, hoy ihany ny filohan’ny CDE hoe : mahazo milatsaka hofidiana avokoa ve ny olon-drehetra, sa misy olona tsy mahazo milatsaka ? Izay mantsy izao no anisan’ny mbola mahasarotra ity resaka fifidianana eto amintsika ity, araka ny nambarany ihany.

Tsy nilaza anaran’olona mivantana moa izy, saingy efa azo vinaniana ihany fa ny momba an-dRavalomanana Marc no tiany ambara eto. Efa hatramin’ny 2009, ity filoha teo aloha ity no nilaza fa vonona ny hifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Raha ny fandrenesana ny nambarany hatramin’izay anefa dia mitsipaka marindrano ny filatsahan-kofidian’ingahy Ravalomanana, i Andry Rajoelina ary mitovy hevitra aminy koa ireo mpanao politika manohana azy. Ary na ny fanamelohan’ny fitsarana an’ity filoha teo aloha ity tamin’ny aogositra 2009 aza, dia noheverin’ny maro fa tetika iray hanakanana ny filatsahan-kofidiany amin’ny manaraka; ny fanakanana ny fiverenany an-tanindrazana ihany koa dia azo heverina ho tetika hanilihana azy amin’ny fifidianana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT