Mihazakazaka ny toedraharaham-pirenena vao lany ny filoham-pirenena sady vao tafapetraka ihany koa ny governemanta tao anatin`ny herinandro maromaro.
Nitondra ny heviny i Serge Zafimahova, mpandinika fiarahamonina, mahakasika ny toedraharaham-pirenena. Notsindriany manokana ny fivoriana tsy ara-potoana eny amin`ny Antenimieram-pirenena anio. Tapitra amin ny 5 febroary ny fe-potoam-piasan`ny depiote kanefa nampiantso fivoriana tsy ara-potoana ny filoham-pirenena. Tsy aleo ve fanalavàna fe-potoam-piasana eo anivon`ny Antenimieram-pirenena no atao toy izay manome fahefana feno amin`ny filoham-pirenena na dia misy aza izany lalàna izany ao anatin`ny lalàmpanorenana. Ahiana hanao fihoaram-pefy ny filoham-pirenena raha omena azy daholo ny fahefana feno. Mety hisy andinin-dalàna alefa ao, izay tsy mifanaraka amin`ny tombontsoam-pirenena, hoy ny fanazavana. Misy loza ho amin`ny demokrasia izany ary ny anton’ny fivoriana ara-potoana ny fitondrana dia maika noho ny fampandrosoana. Haroso ho lahadinika ao anatin’ny fivoriana mantsy ny fandinihana ny volavolan-dalàna hanomezan’ny solombavambahoaka fahefana ny filoham-pirenena hahafahany mikitika na manamboatra lalàna. Raha mandeha aloha ny fitsapan-kevim-bahoaka amin`ny fanitsiana lalàmpanorenana dia lojika ny fanalavana fe-potoam-piasan`ny Antenimieram-pirenena mandrapahatonga ireo depiote vaovao hahafahan`ny firenena mihodina fa raha fahefana feno any amin`ny olona tokana dia mankany amin`ny didy jadona. Ny fahendrena, hoy i Serge Zafimahova, dia haroso eny amin`ny fokontany ny volavolan-dalàmpanorenana miisa efatra (A,B,C,D) miaraka amin`ny raiamandreny FFKM ka anjaran`ny vahoaka mifidy izay hitany fa mety azy. Aorian`ny fahalanian`ny lalàmpanorenana vao mandeha ny fifidianana solombavambahoaka. Ny depiote rahateo efa hanaraka « dynamique presidentielle » fa kosa mba voahaja ny fandajàna ara-demokratika. Anjaran`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) no mandray andraikitra amin`ny fanalavana ny fe-potoana. Raha tsia kosa, tokony hanome tetiandro mazava mahakasika ny faharetan’ny fahefana. Ankoatra izay, raha jerena ny firafitry ny governemanta, mifanandrify amin`ny voka-pifidianana nahalany ny filoham-pirenena ve ? Mametra-panontaniana tokoa satria izay mpomba ny filoham-pirenena dia toa misavoritaka ihany ny sain`ireo avy amin`ny faritany. Misy lafiny tsara, indrindra eo amin`ny tsy fanararaotana fahefana hisy ataon`ny mpitondra fanjakana ankehitriny. Zavatra kely anefa izany satria mampieriteritra fotsiny ny fisian`ny fiara raitran`ny Filoham-pirenena, ireny fitaovam-piadiana… izay efa tafiditra nialohan`ny nahalany ny Filoha vaovao. Midika izany fa ny sivily afaka mampiditra fitaovam-piadiana eto Madagasikara? Hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.