Mila miaraka mikaon-doha amin’izay laharampahamehantsika ho an’ny fampandrosoana amin’ny ankapobeny.
Tsy kitihina intsony iny fampandrosoana iny avy eo, fa aty amin’ny zavatra hafa no iarahana na tsy hiarahana mizara. Ny zava-misy dia hafampana ny raharaha politika, raha ny fijeriny azy. Tsy tongatonga ho azy ny fifohazana tampoka nataon’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina. Misy dikany daholo izany amin’ny lafiny ara-politika hoe ry zareo natoritory. Nifoha tampoka izy, ary io nifoha niaraka aminy io ihany koa ny HVM, izay efa mivory etsy sy eroa. Ilaina ny hisian’ny antoko mpanohitra matanjaka, fa ilaina ihany koa ny hisian’ny mpitondra matanjaka. Tsy hitako mihitsy ny olana amin’ny fanendrena ilay lehiben’ny mpanohitra, ary tena tsy azoko mihitsy, hoy ity mpanao politika ity. Io lalàna 2010 io rahateo dia ny fitondrana amin’izao fotoana izao no namorona azy. Fa maninona ry zareo no tsy manaja ny lalàna noforonina fa lasa tsy mety aminy satria matahotra ry zareo ary te hanendry izay olona tian-dry zareo amin’ilay lehiben’ny mpanohitra, ka tena tsy mety izany, raha ny fahitan’Atoa Serge Zafimahova azy. Tsy mety satria aleo hitondra izay olona heverina fa tena misolotena ilay mpanohitra. Ary io, dia miala tsiny aho, fa ny olom-boafidy ihany no tsy maintsy isaina ny mpanohitra manana olom-boafidy betsaka. Efa nisy rahateo ny depiote, ben’ny tanàna, izany hoe: amin’io dia efa mazava tsara hoe olom-boafidy, ka izay manana olom-boafidy betsaka no lehiben’ny mpanohitra, hoy hatrany Atoa Serge Zafimahova.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.