Politique

Serge Zafimahova “Ny Ankolafy 3 no tokony hanendry ny praiminisitra”


  • Talata 13 Septambra 2011

Ho an’i Serge Zafimahova avy ao amin’ny CNOSC dia ny fanapahan-kevitry ny filoham-panjakan’ny SADC tany Sandton Afrika Atsimo no manana lanjany kokoa noho ny taratasy navoakan’ny Sekretera mpanatanteraka, Dr Tomaz Salomao, satria ny fivoriamben’ny filoham-pirenena no manapa-kevitra sy tompon’ny teny farany, raha ny fitsipika mifehy ity fikambanana ity no arahina.

 Nanamafy ihany koa ity mpikambana ao amin’ny CNOSC ity fa tokony hizotra tsara ny fifampidinihana eo amin’ny samy Malagasy raha toa ka tsy misy ny be saina sy tia tena, ary tokony hanaja ny fifandaminana ny rehetra, nasiany tsindrim-peo manokana toy ny hoe : raha toa ka efa neken’ny rehetra fa i Andry Rajoelina no filohan’ny tetezamita, dia tokony ho avy amin’ny Ankolafy 3 izany no hipoiran’ny praiminisitra. Rehefa voalaza fa afaka mody an-tanindrazana ireo nanao sesitany ny tenany dia aleo hody izy ireo.

Raha tena mihevitra ny handamina ny firenena marina ihany koa isika, hoy i Serge Zafimahova dia tokony hohafainganina ny fampihavanam-pirenena ka hatsangana ilay vaomieran’ny «fahamarinana sy ny fampihavanana» (Vérité et réconciliation), ka amin’ny alalan’ny asa ataon’izany vaomiera izany no handaminana ireo fifandirana maro be nisy teto amin’ny firenena hatramin’izay fa tsy hoe ny nitranga tamin’ny 2009 ihany. Nanamarika moa ity mpikambana ao amin’ny CNOSC ity fa matoa mikatso sy mihisatra ny fifampidinihan’ny samy Malagasy dia misy ireo vondrona na ankolafy na mpanao politika mitsivalam-pandry amin’ny ezaka atao ary mbola misy koa ireo tia tena ka tsy mieritreritra afa-tsy ny sezany.

 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT