Raha mitohy izao zava-misy eto amintsika izao dia ady an-trano no hiafarany, hoy i Serge Zafimahova.
Notsoriny fa misy ampahany amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena tena maniry mafy ny hitrangan’izany sy tena te hampiady ny samy Malagasy mba hahafahan’ireo mifehy an’i Madagasikara sy mitsetsitra ny harena rehetra misy eto. Fifampiresahana sy fifampidinihana ihany no tena zava-dehibe, hoy izy ary tsy maintsy hiafara amin’ny diniky ny FFKM ihany ny famahana izao krizy izao. Ho an’i Serge Zafimahova mantsy dia ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy ao amin’ny FFKM sisa no raiamandreny to-teny eto amin’ny tany sy ny fanjakana, fa ny ankoatr’izay dia efa samy manana ny firehan-keviny ara-politika avokoa, ka izay no maha zava-dehibe ny hanarahan’ny rehetra ilay dinika notarihan’ny FFKM ho fikaroham-bahaolana hivoahana amin’ny krizy, hoy izy.
Nanamarika i Serge Zafimahova fa tsy mitombina mihitsy fa tahaka ny filam-banina tsotra izao ny filazana fa mitovy ihany i Lalao Ravalomanana sy Marc Ravaalomanana. Samy hafa mihitsy izany hoe : Lalao sy Marc izany, hoy izy, ka tsy tokony ny naha kandida an-dRamatoa Lalao Ravalomanana no ataon’i Andry Rajoelina ho fialana bala ka nandikany ny «ni…ni». I Serge Zafimahova dia isan’ireo mpandinika mihevitra fa tsy teren-ko masaka toa voalobo-jaza ny fanatanterahana ny fifidianana, fa mila mifandamina sy mifanaraka tsara aloha ireo rehetra voakasika mivantana na an-kolaka amin’izao krizy politika sy sosialy izao, izay vao miroso amin’ny dingana manaraka.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.