Politique

Serge Ratovondrainy Mila mandeha haingana amin’ny fifidianana isika


  • Alarobia 04 Janoary 2012

Ny fifidianana, io ihany no lalana tokana ahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena sy maha demokrasia ny demokrasia, hoy i Serge Ratovondrainy filoha nasionalin’ny antoko MAFI (Madagasikara Firaisan-kina).

 Miantso ny eo amin’ny fitondrana indrindra ny miaramila izahay, hoy izy, mba hovitaina amin’izay ny fifidianana. Aoka izay ny adilahy politika fa mahantra loatra ny Malagasy. Mino aho fa mba ho tonga saina daholo izahay mpanao politika. Marihina fa ny MAFI dia nangina nefa mitana ny heviny rehefa niala tao amin’ny ankolafy Ravalomanana ary tsy niaraka tamin’ny Udem-Pro intsony. Mety hisy ihany ny fiaraha-miasa aoriana satria ilay foto-kevitra mitovy fa ny lalana nombana no samy hafa. Izao moa ry zareo indray no ao amin’ny fitondrana. Izahay efa nilaza foana hatrany am-boalohany, hoy ihany i Serge Ratovondrainy, fa ny krizy tsy maintsy mifarana amin’ny firesahana ambony latabatra. Ho an’ny MAFI dia voiziny fa mahantra ny Malagasy ka mila mandeha haingana amin’ny fifidianana, izay ihany no lalan-tokana.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT