Politique

Seranam-piaramanidina Ivato Fefen’ny tandapa ny tanŕna


  • Alatsinainy 23 Janoary 2017

Miteraka fimenomenonana amin’ireo kaompania tsy miankina sy mpandraharaha miasa eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny famefena toerana malalaka amin’ny ilany andrefan’ny faritry ny seranana.

Miteraka fimenomenonana amin’ireo kaompania tsy miankina sy mpandraharaha miasa eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny famefena toerana malalaka amin’ny ilany andrefan’ny faritry ny seranana. Toerana malalaka fiantsonan’ny helikoptera izy io, fanaovana andrana fiaramanidina asiam-panamboarana ihany koa, ary ifamezivezen’ireo fiaramanidina kelin’ireo kaompaniam-pitaterana anabakabaka tsy miankina samihafa eny Ivato. Tamin’ny tetezamita no efa nisy fikasan’ny tandapa hamefy io toerana io, saingy nihemotra noho ny fanakanana nataon’ireo kaompania tsy miankina samihafa eny an-toerana. Hatairana ny an’ny rehetra nahita fa nisy namefy vao maraina io toerana io tamin’ny alakamisy 12 janoary 2017 teo. Mangina ny ADEMA, tsy manan-kolazaina ny Ravinala Airport izay mitantana ny fotodrafitrasan’ny seranana. Ny resaka mandeha dia hoe : « baiko avy any amin’ny prezidansa » no anton’io famefena io. Loharanom-baovao hafa ihany koa no andrenesana fa hanorenana « Hangar » lehibe eo amin’io faritra nofefena manana halava 800m any io, kaompania tsy miankina iray izay misy mpanolotsain’ny filoha ao an-damosiny, no hitantana azy. Tsy mazava kosa ny fomba nahatongavana amin’izao, nisy tolobidy sa tolobotsotra ? Raha io loharanom-baovao io hatrany dia ao amin’io « Hangar » lehibe haorina io no hametrahana ireo fiaramanidina sy helikoptera hampiasain’ny kandidan’ny HVM amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT