Politique

Seranam-piaramanidina Ivato Faritra mena ho an'ny zanak'i Dada, fa midanadana ho an'ny AV7


  • Talata 07 Febroary 2012

Fepetra ara-teknika tanteraka fa tsy misy idiran'ny politika ny famoahana taratasy nilaza tamin'ny Airlink mba tsy hitondra an-dRtoa Lalao Ravalomanana, raha araka ny fanazavan'ny sekretera jeneralin'ny ministeran'ny fitaterana omaly.

 Nambarany ihany koa fa tsy azo atao ny mamory vahoaka amin'ny toerana manodidina ny seranam-piaramanidina, tahaka ny nitranga ny sabotsy 04 febroary lasa teo teny Ivato. Ahiana mantsy ny hisian'ny korontana na savorovoro tampoka, raha araka ny fanazavana omaly ihany. Niteraka resabe sahady nanomboka omaly io fanazavana avy amin'ny ministeran'ny fitaterana io satria raha nisy ny fotoana niverenan'ny filohan'ny FAT avy any ivelany, efa maromaro ihany dia nisy ny fotoana nitsenan'ireo mpomba azy teny Ivato, ary nisy olona tafiditra hatreny amin'ny parking sy nanakaiky ny salon d'honneur mihitsy aza. Raha tonga teto Madagasikara koa i Tojo Ravalomanana dia nanao fihetsiketsehana ho fanoherana azy tao anatin'ny faritry ny seranam-piaramanidina Ivato ny AV7 na ny fikambanan'ireo niharam-boina tamin'ny 7 febroary 2009. Hitam-poko, hitam-pirenena izany. Efa nanambara mialoha ny hahatongavany eny Ivato ireto mpikambana tao amin'ny AV7 ireto tamin'io fotoana io, kanefa nahoana no tsy nandray fepetra nampahafantatra ny zava-misy tamin'ny Airlink ny ministeran'ny fitaterana ? Manampy izay dia tena teny feno fihantsiana narahana fitondrana sorabaventy no nataon'ny AV7 tao anatin'ny faritry ny seranam-piaramanidina Ivato.

Raha tsy fihetsiketsehana no anaran'izany, dia inona ? Sa rehefa ny FAT sy ny olony no misioka dia voromanga, fa rehefa ny hafa no mihira dia lazaina fa vorondolo ? Mibaribary ny raharaha eto fa fandraisana fepetra teknika, misy ambadika politika ny fanakanana ny fodian-dRtoa Lalao Ravalomanana ny sabotsy lasa teo, ary mamono afo sisa no ataon'ny ministeran'ny fitaterana. Nahoana ihany koa no tsy nampahafantarina io fanapahan-kevitra io ny praiminisitra tamin'ny sabotsy ? Sao ve sanatria ka mitsivalana ny amin'izany izy ka mamela malalaka an-dRtoa Lalao Ravalomanana hody eto Madagasikara. Nanafintohina ny maro, indrindra fa ireo mpomba ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana iny zava-nitranga ny sabotsy lasa teo iny, ary vao mainka nahasosotra azy ireo ny fanazavana avy amin'ny ministeran'ny fitaterana, satria tahaka ny tena mieritreritra ny vahoaka ho bado mihitsy ireo manampahefana FAT, ka mamorona izao karazana atsanga tsy aman'orana rehetra izao.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT