Politique

Sendikan’ny Mpitsara Manome 24 ora ny Polisy


  • Alakamisy 26 Jolay 2012

Miverina indray ny disadisa misy eo amin’ny Mpitsara sy ny polisy noho ny fakan’ny polisin’ny GIR (Groupe d’Intervention Rapide) an-keriny ireo namany 4 niakatra fitsarana ka saika nahiditra am-ponja izay, niseho ny talata 24 jolay lasa teo, tao amin’ny Lapan’ny fitsarana Anosy.

 Tsy niandry ela ny valin-kafatra avy amin’ny Sendikan’ny Mpitsara eo anatrehan’ny “fiheveran’ny mpitandro ny filaminana sasany fa ambonin’ny lalàna izy ireo noho ny fananany basy”. Ampahany amin’ny fanambarana navoakan’ny SMM manameloka ny fihetsiky ny GIR io. Nampiany fa “fandikan-dalàna miaro fihokoana ihany koa ireny”.

Tsy hanaiky velively

Raha tsy sitrana akory ny fery tamin’ny raharaha Rehavana Michel tao Toliara ny 09 desambra 2011 dia misy indray ity raharaha vaovao manamaloka ny fifandraisana efa marefo eo amin’ny roa tonta ity. Manome fe-potoana 24 ora nanomboka omaly ny mpitandro ny filaminana ny biraon’ny SMM hanolorany ireo polisy, navotan’ny namany ireo, any amin’ny fonja notondroin’ny didim-pitsarana. “Handray fepetra rehetra mifanandrify amin’izany ny fitsarana ary manambara fa tsy hanaiky velively ireo endrika fanitsakitsahana ny hasiny. Mitaky koa ny mpitsara ny fampiharana ny lalàna amin’ireo rehetra nandray anjara tamin’io fihetsika io ka anenjehana azy ireo ara-pitsipi-pifehezana sy ny ara-keloka”.

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT