Politique

Sendikan’ny Mpitsabo Mikononkonona hetsika koa


  • Alarobia 02 Mey 2012

Nisafidy ny andron’ny 1 mey ny sendikan’ny mpitsabo hanetsika indray ny fitakiany izay odian’ny fanjakana fanina na dia efa vita an-tsoratra aza ny fifanarahana.

 Momba ny ambim-bola vokatry ny fanitsiana ny marikarama ny fitakiana voalohany. Misy ampaham-bola mbola tokony ho azo rehefa namboarina ny marikarama saingy tsy mbola misy tokotaniny ireo hatramin’izao. Karama folo volana no voakasik’io ary efa tamin’ny taona 2010 ireo. Fitakiana faharoa kosa ny fanomezana amin’izay ny tambinkarama samihafa toy ny “indemnité de logement”, ny “ indemnité d’entretien” ary ny “indemnité de transport” izay mitotaly 260.000 Ariary.

Ny “indeminité de sujetion” 40.000 Ariary isam-bolana ihany no azo hatramin’izao. Nomarihan’ny filohan’ny Sendika, ny dokotera Ndatason anefa fa efa nifanekena ireo fa tsy iandrasana fifampidinihana intsony. “Ny fampiharana izany no takianay izao”, hoy izy. Efa nisy hatrany ny fanatonan’ny mpikambana ao amin’ny biraon’ny Sendika ny tomponandraikitry ny ministera nifandimby saingy eo am-baravarana izy ireo dia miverina. Mahatsiaro koa izy ireo fa tiana harirarira satria tsy misoratra ao anatin’ny volavolan-dalàna momba ny fampiasam-bolam-panjakana akory ny momba ireo tombontsoa roaloha efa nifanekena ireo. Miandry izay fihetsiky ny mpitondra ny Sendika noho izany. Misy kosa ny fivoriambe tontosain’ny mpitsabo rehetra eto an-drenivohitra ny 11 mey izao handraisana fanapahan-kevitra momba ity raharaha ity, hoy ny dokotera Lin.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT