Politique

Sendikan’ny Mpiasam-panjakana, mpianatra … Miala ny mpitondra rehetra !


  • Alakamisy 19 Jolay 2012

Mihenjan-droa tanteraka ny tady eo amin’ireo sendikan’ny mpiasam-panjakana manao fitokonana sy ny fahefana mpanatanteraka.

 Namaly ny fandrahonana fanapahana karama sy fandroahana tsy ho mpiasam-panjakana intsony ireo izay mbola minia mitokona nambaran’ny filohan’ny FAT farany teo tany Mahajanga ireo vondrona sendika. Nisy ny fanambarana iraisana, nataon’ny SMEDFM, ny SISFM, ny SEMPAMA, ny “Cellule Interministérielle des Agents de l’État”, ny SEHMBIOSE, ny mpampianatra mpikaroka ary ny fivondronamben’ny mpianatra, mitaky ny “fametraham-pialan’ny fitondrana rehetra misy, hitoeran’ny tena rariny sy hitsiny eto amin’ny firenena”. Noho ny fandikan-dalàna sy tsy fanajana ny zo fototra ataon’ny mpitondra, ny fitaka, ny lainga, ny fandrirarirana, ny jadona, ny fampiasan-kery ary ny fampihorohoroana no mahatonga izao fanapahan-kevitra izao raha ny voalaza ao anatin’ilay fanambarana hatrany. Milaza ny tsy hiverina miasa moa izy ireo raha tsy tanteraka ny fitakiany. Miantso ny mpiasam-panjakana sy mpiasa tsy miankina hanatevina ny tolona izy ireo ka manome fotoana azy ireo eo amin’ny Kianjan’ny fahafahana manoloana ny vavahadin’ny Ministeran’ny fanabeazana manomboka anio alakamisy 19 jolay. Miantefa amin’ny tafi-bahoaka koa izany antso izany. Ankoatra izay dia mampitandrina amin’ny mety fikasana hanao antsojay amin’ireo mpitokona sy hamaly ny antsony ireo vondrona mpiasam-panjakana ireto.

Fa nandeha tao amin’ny Filankevi-panjakana omaly ny fandinihana ny fitoriana nataon’ireo sendikan’ny mpiasam-panjakana isany Paramed, dokotera, Sempama hampiatonana ny fampiharana ilay didim-panjakana manery ireo mpanao fitakiana sendikaly hiverina hiasa. Nolavin’ny Filankevi-panjakana anefa io fitoriana hampiatonana ny fampiharana ilay didim-panjakana mikasika ny “réquisition” io. Mbola anatin’ny fandinihana ny fitoriana faharoa nataon’ireto sendika ireto hanafoanana tanteraka io didim-panjakana io kosa ny Filankevi-panjakana, ka dia ho hitana eo ihany ny ho tohiny. 

Yves 

ENCADRE 

Mijoro ny sampan’ny «Cellule de crise interministérielle des Agents de l’Etat» Toliara. Filoha mitarika azy i Solo Jean Robert (SECES), filoha lefitra Rasolofoniaina Ricardo (SEMPAMA).

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT