Politique

Sendikan’ny mpanao gazety Manome 72 ora ny minisitra …


  • Talata 08 Mey 2012

Nivory teny Antanimena omaly maraina ny sendikan’ny mpanao gazety tarihan’ny filohany Rasoanaivo Rocco.

 Fandinihana ny zava-misy manodidina ny fanohintohinana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety no resaka eny sady fampatsiahivana ihany koa ireo fitakian’ity sendika ity. Nampatsiahy ny sendikan’ny mpanao gazety fa efa ho roa taona amin’ny 15 mey ho avy izao no nanafihan’ny miaramilan’ny filoha Rajoelina ny onjampeo Fréquence Plus tetsy 67Ha, efa ho roa taona ihany koa no napetraky ny tompon’andraikitr’ity onjampeo ity ny fitoriana, saingy tsy hita hatramin’izao izay fanadihadiana. Nisy anefa ny fahasimbana fitaovana sy faharatrana mpanao gazety nandritra io tranga io.

Fa anisan’ny zava-baovao ao anatin’ilay fanambarana navoaky ny sendikan’ny mpanao gazety omaly koa, ny fitakiana amin’ny hanokafana fanadihadiana mikasika ny famotehana sy fandorana haino aman-jery tamin’ny 26 janoary 2009, toy ny nanjo ny TVM sy ny RNM. Mbola manamafy hatrany ny fanambarana nataony tamin’ny 03 mey koa ity sendika ity fa mitaky ny fialan’ny minisitry ny serasera, Rahajason Harry Laurent ato anatin’ny 72 ora izy ireo.

Ny anton’ny fitakiana dia tsotra, araka ny fanambarana voaray, satria nandiso fanantenana tanteraka ny mpanao gazety ity minisitra ity, izay mba nantenaina hanampy, kanefa dia ny nanenjika sy namaky ady tamin’ny mpanao gazety indray no nataony sy ny politika manao mizàna tsindrian’ila ataon’ny ministeran’ny serasera. Ny sendikan’ny mpanao gazety dia mamerina sy manamafy ny antso amin’ny firaisankinan’ny mpanao gazety, manoloana ny tsindrihazoi lena sy ny ramatahora ataon’ny mpitondra fanjakana, manoloana ny ady ho amin’ny fahalalahana maneho hevitra sy ny demokrasia. Farany dia manamafy ny sendikan’ny mpanao gazety fa tsy misy afa-tsy ny fahalalahana maneho hevitra sy ny demokrasia irery ihany, no arofanina amin’ny fihoaram-pefin’ny mpitondra.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT