Politique

Sendikan’ny mpampianatra mpanabe Hanao fahirano ny fanadinam-panjakana


  • Talata 03 Mey 2016

Tapitra rahampitso alarobia 4 mey ny fe-potoana nomen’ny fivondronan’ny sendikan’ny mpampianatra mpanabe ny fitondram-panjakana.

 

 Tsy handray anjara amin’ireo fanadinam-panjakana rehetra hotontosaina eto amin’ny tany sy ny firenena izy ireo raha minia mikipy sy miziriziry ny fitondram-panjakana. Araka ny nambaran-dRandrianjafy Elidio,  tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny ANEFFA dia tsy nisy hatreto ny fifampidinihana teo amin’izy ireo sy ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena na dia nisy aza ny fe-potoana nomen’izy ireo. Niandry izahay saingy tsy mbola nisy fampiantsoana ihany koa andrasana izay mety ho tohiny, hoy izy. Na izany aza  dia notsindriany fa tsy filam-boa tsy ary akory ny an’ireo mpampianatra mpanabe raha nanao ireny fitakiana ny zony maro samihafa ireny fa ny mba hahafahana manatsara hatrany ny sehatry ny fanabeazana eto amintsika. Diso marary loatra ny sehatry ny fanabeazana nefa anisan’ny andry hiankinan’ny fampandrosoana ny firenena  satria mamolavola ny zana-bahoaka hanam-pahalalana sy ho lasa olom-banona. Nomarihiny ombieny ombieny moa fa ny mpampianatra no anisan’ny mpiasam-panjakana mahantra indrindra eto amintsika.

Pati

Légende : Randrianjafy Elidio, filohan’ny ANEFFA

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT