Mifampiofana mandritry ny roa andro, omaly sy anio, etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina mikasika ny tokony ho fomba fijoron’ny sendika eo anatrehan’ny toe-draharaha politika misy eto amin’ny firenena ny avy eo anivon’ny randrambaon’ny sendikà CTM-SSM-FES.
Anton’ny fifampizarana, hoy ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny rafitra alemanina, Friedrich Ebert Stiftung (FES), tamin’ny alalan’ny tompon’andraikitry ny fandaharanasany, Hanta Andrianasy, ny fivoizana fa misy rafitra tsy tokony hanao politika kanefa tsy misy olona tsy hanao politika izany. Tsy mitombina ny fanenjehana ny sendika ho manao politika. Manana ny foto-kevitra politika mifandraika amin’ny sehatra misy azy ny tsirairay saingy tokony hifanandrify hatrany amin’ny demokrasia sy ny fitantanana mirindra izany. Tokony hanan-kambara dieny izao ny sendika izay manana ny politika hampandrosoana ny sosialin’ireo mpiasa satria mety efa mihoatra ilay taham-pahantrana 92% nivoaka tamin’ny taona 2013 no misy ankehitriny raha mijery ny toe-draharaham-pirenena izay miha ratsy hatrany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.