Politique

Sendika, politika … Hanao angaredona


  • Alakamisy 24 Mey 2012

Tonga teny Ambohijatovo ny olona, omaly alarobia 23 mey 2012, namaly ny antson’ny Komitin’ny fanavotam-pirenena mba hijoro handresy ny jadona, ary hiara-hametraka ny fahamarinana sy ny demokrasia.

 Tsy nampihemotra azy ireo ny teny miendrika fampitandremana nataon’i Andry Rajoelina ny talata 22 mey teo milaza fa tsy hisy indray fo amin’izay manakorontana. Vao maraina dia efa nahitana andian’olona nitsitokotoko teny amin’ny manodidina an’Ambohijatovo. Efa niatrana amam-basy teo ivelan’ny vavahady miditra ny Kianjan’ny demokrasia koa anefa ny mpitandro filaminana avy amin’ny Emmo-Reg. Tsy nisy ny fifandonana fa dia nifampitazana ny andaniny sy ny ankilany. Nizotra ny fifamoivoizana, ary nivarotra ireo manao asa velontena teny manodidina. Ny fiandohan’ny tolakandro no tonga ny delegasiona notarihin’ny Pr Rajaonarivelo Paul, mpandrindra ny Komitin’ny fanavotam-pirenena. Nanantona avy hatrany ny kolonely Razafindrazaka Andry, lehiben’ny Emmo-Reg, izy mba hifampiraharaha hahafahan’ny vahoaka miditra ao amin’ny kianjan’Ambohijatovo. Tsy misy ny fahagagana anefa ny tenin’ny Emmo-Reg, fa dia mihidy ny toerana, any amin’ny tompony ny fanalahidy ka tompon’andraikitra amin’ny zava-miseho eny izay mitarika vahoaka, izay tsy nahazo alalana. Hita ho efa nivonona tamin’izay valinteny izay anefa ny Pr Rajaonarivelo Paul, satria dia efa teny an-tanany ireo fehezan-dalàna mifehy ny famoriam-bahoaka sy fanehoan-kevitra ankalamanjakana, ka tamin’izay no nampahatsiahivany fa ny famorian’olona eny an-dalambe no liana fahazoan-dalana ka anaovana fangatahana mialoha ; izahay rahateo tsy mitam-basy, araka ny nambarany. Hentitra koa ny tenin’ity mpandrindra ny Komitin’ny fanavotam-pirenena ity, fa ny vahoaka no tompon’ny Kianjan’ny demokrasia fa fanomezam-pahefana fotsiny ihany no nomena ny Ben’ny tanàna na filohan’ny delegasiona manokana. Rehefa izay dia nitarika ny olona hiazo ny Lapan’ny tanàna, haka ny fanalahidin’ny vavahady miditra an’Ambohijatovo ny Pr Rajaonarivelo Paul.

Tanàna mihidy anefa no novantanin’izy ireo teny Analakely, hany ka tsy tafiditra akory ny tokontanin’ny Lapan’ny tanàna izy ireo. Rehefa izay dia nandray “mégaphone” ny Pr Rajaonarivelo Paul nilaza tamin’ireo olona maro nanara-dia azy ireo fa hotsarain’ny vahoaka ireo mpitondra ireo, rehefa ho avy ny fifidianana. Nikasa ny hiverina teny Ambohijatovo ny olona saingy tsy tanteraka izany. Nandao ny toerana ny Pr Rajaonarivelo Paul sy ny mpitarika ny Komitin’ny fanavotam-pirenena sasany. Nanomboka teo koa ny fametrahan’ny andian’olona sasany sakana tamin’ny arabe teny Andohan’Analakely. Niezaka nanala ireny ny mpitandro ny filaminana.

Niafara tamin’ny tora-bato teo amin’ny samy sivily izany nony harivariva ny andro. Niditra tamin’ny fandefasana lakrimôzena ny Emmo-Reg nanaparitahana ireo mitangorongorona, sy namerenana amin’ny lanoniny ny fifamoivoizana satria efa tao anatin’ny fotoana firavan’ny mpiasa izany. Na teny an-kianja na tao amin’ny onjam-peon’ny Free FM dia tsy nisy ny filazana ny tohin’ny hetsika. Loharanom-baovao hafa no milaza fa hisintona kely handini-tena sy hamolavola paikady vaovao izy ireo anio, ka dia mety ho amin’ny sabotsy indray ny famoriam-bahoaka manaraka, ary dia ho angaredona manomboka eo, satria raha araka io loharanom-baovao io ihany dia ho avy hanatevin-daharana ireo sendika samihafa manao fitakiana amin’izao fotoana izao. Nanambara mazava tao amin’ny Free FM, anefa i Fidèle Razara Pierre, omaly, fa dia manao vy very aina izy (ireo), hisian’ny fahalalahana maneho hevitra sy hanjakan’ny fahamarinana eto Madagasikara. Mazava izany ny resaka fa dia tsy hihemotra manoloana ny fandrahonana sy ny sakantsakana samihafa ireto mpanao gazety ireto, na voatery mitandrin-tena aza sao voasambotra ka hahafaty momoka ny tolona atrehin’izy ireo.

Nangonin’i Jean D.

 Sary : Vahoaka nirohotra ho eny Ambohijatovo (sary : Rakotobe)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT