Tao anatin’ny hetsika firaisankina eo amin’ny samy sendika ka nisian’ny fitokonana fanairana omaly dia nifamory tetsy Analakely ny mpikambana ao amin’ny sendika F3M, nahitana an’i Florentin Ramamonjisoa sy ny namany, ka nilaza ampahibemaso fa marary ny asam-panjakana noho ny antsojay mahazo etsy sy eroa ary manampy trotraka izany ny tsy fivahan’ny olana eo amin’ny polisy sy mpitsara vokatry ny famonoana mpitsara tany Toliara, ny tsy mbola namalian’ity fitondrana ity ny fangatahan’izy ireo efa herintaona katroka izao mikasika ny amin’ny fampitoviana ny marikaraman’ireo mpiasam-panjakana manana diplaoma mitovy.
Ka manao antso avo amin’ny filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita sy ny praiminisitra ary koa ny minisitry ny fanabeazam-pirenena miaraka, izahay ato amin’ny sendikà F3M, hoy ny feo heno tetsy Analakely omaly, hampitsahatra ato anatin’ny 72 ora ny fomba fanesorana amin’ny asan’ny Talen’ny INFP sy ireo mpiasam-panjakana namany toy ny sefo Cisco sy talen’ny Lycée sasantsasany. Faharoa dia ny filazana fa ampy izay ny fanaovana fitaovana politika ny mpiasam-panjakana. Mitaky koa ry zareo ny hamoahan’ny fitondram-panjakana ny diso amin’ny raharaha mampifanolana ny mpitsara sy polisy any Toliara. Aza terena ny F3M, hoy famaranan-dry zareo ny antsony, na an-kolaka na mivantana hanao zavatra tsy tokony hatao.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.