Politique

Sendika F3M Manameloka ny fandrahonana mpiasam-panjakana


  • Alarobia 17 Aogositra 2011

Niala tamin’ny fahanginany ny F3M (hetsika sendikalin’ny mpiasam-panjakana) noho ny fahatsapany fa tadiavina ho potehina ny tolon’ny mpiasan’ny fadintseranana amin’ny alalan’ny fandrahonana amin’ny fomba maro samihafa ireo mpitarika.

 Hentitra ny fanambaran’i Florentin Ramamonjisoa sy ny namany momba ity raharahan’ny ladoany Antanimena ity fa “tsy azo ekena ny fikitikitihina ny mpiasam-panjakana manao fitakiana ara-dalàna”. Nomelohiny araka izany ny fisamborana sy fampiakarana fitsarana ireo mpitarika ny hetsika etsy Antanimena. Torak’izany koa ny fampidirana resaka politika amin’ny hetsika sendikaly madio. Ho an’ny F3M dia fomba ratsy efa mahazatra ny FAT io satria efa norahonana sy nanaovan’ny mpitondra antsojay avokoa izay nanao fitakiana rehetra. Noraisiny ohatra amin’izany ny dokotera, ny mpitsara, mpampianatra mpikaroka ary ny maro hafa… Manoloana ny zava-misy ankehitriny dia manambara ny fiombonany amin’ireo mpiasan’ny ladoany ka hanohana azy ireo amin’ny fitakiany ny F3M. Miantso ny mpiasam-panjakana rehetra izy ireo anio alarobia hanotrona ny fitsarana ny mpitarika sendikaly ao amin’ny ladoany eny Anosy. “Mba tsy hitaran’ny hetsika dia miantso ny mpitondra izahay hamaha io olana io”, hoy i Florentin Ramamonjisoa, nampitandrina.

 

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT