Ankizy 20 isaky ny fokontany 13 mandrafitra ny kaominina ambonivohitra Moramanga no nahazo fanomezana avy amin’ny Bebe Noely, Senatera Razanajato Virginie.
Efa fanaony isan-taona ny manolotra fanomezana ireo ankizy ao anatin’ny distrikan’i Moramanga. Fantatra fa amin’ity herinandro ity dia hanolotra fanomezana ireo voafonja ao Moramanga ihany koa Ramatoa Senatera. Anisan’ny ahafantaran’ny mponin’i Moramanga azy ny fandraisany anjara biriky rehefa misy fahoriana midona ao an-tanàna. Nomarihany fa fety ho an’ny ankizy ny Krismasy koa rariny loatra raha nahatsiaro manokana ny ankizy izy tamin’ity Krismasy 2016 ity.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.