Politique

Senatera Riana Andriamandavy VII Nanakiana mafy ny fitondrana Rajoelina


  • Zoma 03 Janoary 2020

Hita tamin’ny pejy facebook’ny loholona Riana Andriamandavy VII omaly ny fanambarana nanao hoe : “rehefa natao ny fampitahana Andriamatoa filoha dia mbola ny zava-bitanao no misongadina sy azo tsapain-tanana ka mbola isitrahan’ny mpitondra ankehitriny”.

 

 

 

Mbola notohizany tamin’ny hoe : Hain’ny mpitondra ankehitriny loatra ny nanao serasera hanaratsiana anao sy ny zava-bitanao, hatrizay, saingy toa efa tonga saina izao ny maro fa hay fampanantenana tsy misy tanteraka sy famenoana pôsy ary ireo kolikoly avo lenta no tena telentan’izy ireo.Nampatsiahy ireo asa natomboka tamin’ny fitondrana HVM ity loholona ity ka nilaza fa : tsy maintsy ho tokanan atsy ho atsy ny toha-drano lehibe, manerana ny faritra, naorina, izay tena hanafoana ny delestazy sy ny tsy fahampiandrano fisotro madio. Mahamenatra fa citerne « MAKIPLAST » no mba hany politikam-panjakana hanomezana rano fisotro ny Vahoaka, hoy izy.Tsy maintsy ho ampiasaina ireo « Gares routières » handaminana ny fifamoivoizana an-tanan-dehibe, toa ilay etsy amin’ny  by-pass, izay notakonana ny anarany hoe « FISANDRATANA » fa mila lokoina volomboasary sy hovaina hoe « MANARAPENITRA » angamba aloha vao ho ampiasaina, hoy hatrany ny loholona Riana Andriamandavy VII.Tsy vita hatreo fa tsy maintsy ho tokanana ihany koa, hoy izy ny Seranam-piaramanidina Ivato, izay nasiam-panitarana lehibe. Fa miandry kajy hilazana fa zava-bitan’izao fitondrana izao vao ho tokanana. Ireo « FOTO-DRAFITRASA FOTOTRA » ireo no hampisokatra ny fampandrosoana eto amin’ny  Firenentsika fa tsy ny jiro mahafinaritra eny Antaninarenina na ny tora-pasik’i Miami,Tsy maintsy ho tokanana ihany koa ny seranan-tsambon’i Toamasiana izay eo am-pamitana azy izao, izay hitombo mihoatry ny roa avo heny ny velarany. Mazava ny resaka eto fa ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina , mpanorina ny antoko HVM misy ity loholona iray ity no voalaza amin’ny hoe “Andriamatoa filoha” ao anatin’io fanambarana fohy io.Toa fampatsahivana fa hoe tsy misy zava-baovao loatra avy amin’ny fitondrana  tarihan’i Andry Rajoelina fa dia ny tetikasa efa natomboka na vita sonia fony fitondrana Rajaonarimampianina no tohizana sy hanaovana fihetsiketsehana manerana ny nosy, ary tena mafy ny fanakianana ataon’ity loholona ity ny fitondrana Rajoelina.Tsy misy kisendrasendra amin’ny politika, anisan’ireo nangiana tsy dia re feo firy izany Riana Andriamandavy VII izany vantany vao vita ny fifidianana filoham-pirenena, herintaona latsaka lasa izay saingy ankehitriny kosa, indrindra fa taorian’ilay kabary nataon’i Hery Rajaonarimampianina ny 1 janoary lasa teo dia lasa maneho hevitra mahitsy sy mazava tsara ary azo ambara hoe manakiana ny mpitondra ankehitriny.Efa vaky rahateo moa ny ady eo amin’ny fitondrana foibe sy ny antenimierandoholona koa tsy mahagaga ihany ny zavatra tahaka izao.Anisan’ny porofo iray indray ity fa hafana ny politika amin’ity taona 2020 ity, satria vao volana janoary dia efa samy mitratrevatreva ireo lohandohan’ny mpisorona eo amin’ny tontolo politika.

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT