Entin’ny hambo politika ve ny senatera Lylyson Urbain de René sa tena diso vanim-potoana ?
Heverin’ity lehiben’ny FIS teo aloha, izay natao herim-pamoretana tamin’izany, fa mbola Tetezamita angamba izao vanim-potoanan’ny Repoblika faha-IV izao ka mbola mandaitra ny fandrahonana sy ny fampihorohoroana mivantana sy an-kolaka.
Mbola eto Antananarivo aloha hatramin’izao no mibaiko ny firehana politika manerana ny Nosy, porofon’izany teto an-drenivohitra avokoa no niandohan’ireo hetsi-bahoaka nanomboka ny taona 1972. Adinon’ny senatera Lylyson anefa ny fampahoriana nataon’ny HAT sy ny FIS ny mponin’Antananarivo nandritra ny Tetezamita ary anisan’ny naha vitsy ny isam-bato azon’ny filoha Hery Rajaonarimampianina teto an-drenivohitra nandritra iny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 2013 iny ny fanohanan’ireo mpitondra HAT azy, indrindra moa ny fahitan’Antananarivo an’i Andry Rajoelina sy Lylyson. Porofon’izany ny faharesena tsy roa aman-tany nahazo an’i Lalatiana Rakotondrazafy nandritra ny fifidianana Ben’ny tanàna.
Raha izao fahantrana sy ny takaitran’ny tetezamita izao anefa aloha, sarotra ihany ny hino fa hanaraka izany senatera Lylyson izany ny vahoakan’Antananarivo ary ho diso hevitra tanteraka ny tenany raha toa ka manana fikasana hilatsaka ho anisan’ireo kandidà filoham-pirenena amin’ny taona 2018 araka ny resaka mandeha amin’izao, fa anton’izao fihetsiketsehana ataon’ity lehiben’ny FIS teo aloha ity izao. Tena ho lehibe sy ho mpitarika ny mpanohitra ity loholona voafidy tamin’ny alalan’ny MAPAR ity, voalohany mba ahazoany ilay seza faha-VII eo anivon’ny Antenimierandoholona, hananany fahefana bebe kokoa ; faharoa ho fanomanana io fifidianana filoham-pirenena amin’ny taona 2018 io.
Mety matahotra mafy ny mety hisokafan’ny fanadihadiana momba ireo harem-be azony nandritra ny Tetezamita ihany koa anefa ny senatera, izy izay nilaza tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray eto an-drenivohitra fa nandany vola ana miliara tany amin’ny Faritra Sofia nampandany an’i Hery Rajaonarimampianina.
Rabri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.