Politique

Senatera Lylison Natao sorona


  • Sabotsy 28 Mey 2016

Telo andro taorian’ny nisavana ny trano fonenany teny Ambohipo dia tsy mbola fantatra mazava ny misy ny senatera Lylison amin’izao fotoana.

 

Izy nampita vaovao avy any Mahajanga ny alakamisy teo no re farany dia nangina tanteraka indray aloha. Marihana fa tsy nisy ny fitaovam-piadiana na antontan-taratasy mampiahiahy hita tao an-tranon’ity manamboninahitra zandary lasa mpanao politika ity. Ny hany azo antoka dia efa elaela ihany izy no voara-maso satria ahian’ny fitondram-panjakana miketrika asa fanakorontanana. Efa fantatry ny manampahefana tsara fa zandary mahay lalàna sady manana traikefa matevintevina ihany amin’ny resaka paikady miaramila sy fifandonana ny senatera Lylison René de Rolland, koa azo antoka fa noho izay no tsy hisian’ny fampitam-baovao momba ny hetsika atao amin’ny fikarohana azy. Misy ihany anefa ny resaka mivoaka ka nahafantarana fa tena fisamborana mihisy no hatao amin’ny kolonely Lylison ary efa tsy hihemotra intsony ny fitondram-panjakana, izay re fa efa saika nisambotra ny senatera Lylison taorian’ny hetsika nataony ny 29 martsa lasa teo. An-kilan’izay dia misy feo mivoaka fa nisy nampijabaka ny senatera Lylison, ka rehefa nihetsika izy dia maro be ireo naneho hevitra milaza fa rariny sy hitsiny ny nataony. Rehefa miroso anefa ny ora sy ny fotoana dia mihena an-dalana ireo mpanohana. Tranga izay mety ho ratsy satria rehefa tsapan’ny manampahefana fa manomboka mihena ny manaraka sy miaro azy, izany hoe mihena ny lanja politikany dia ho mora ho azy ireo ny hisambora sy hanagadra azy. Politika moa no atao ka azo heverina ho nampirisihana mba hihetsika ny kolonely Lylison hamantarana ny fihetsiky ny fitondrana avy eo. Ekena fa nisy ny fanehoan-kevitry ny vondrona Mapar nanakiana sy nanameloka ny fisavana ny tranon’ny senatera Lylison sy ny fikasana hisambotra azy, saingy nijanona teo izany fa tsy nisy tohiny intsony. Atoa Andry Rajoelina aza moa dia tsy nandrenesam-peo, eny fa na dia fehezanteny iray monja aza momba ny afera Lylison.Somary mampieritreritra ihany a !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT