Politique

Senatera Lylison Miafina any amina masoivoho vahiny ?


  • Alarobia 01 Jona 2016

Manalasala toy ny vozon’akoho ny toe-draharaha politika ankehitriny. Raha ny fangotrakotraky ny raharaha loholona Lylison René de Roland dia toa ireny tsy hilamina intsony ireny ny tany sy ny firenena. Tsy hitahita anefa dia nangina ho azy izy iny ary nety tsy nisy tohiny intsony.

 

Tsy mbola misy ny taratasy didy fisamborana navoakan’ny fitsarana, ny loholona anefa tsy hita na aiza na aiza. Siosion-dresaka no andrenesana fa any amin’ny Masoivoho vahiny iray ity loholona ity no mipetraka. Feo faharoa indray milaza fa any anatina toby miaramila iray no misy azy ary ny feo fahatelo dia milaza fa any amin’ny faritr’i Boeny any no misy an’ny loholona Lylison René de Roland. Araka ny fandinihan’ny mpanara-baovao dia ilay  feo voalohany no mety marina kokoa. Raha hita tokoa moa anefa ny loholona Lylison dia hatao inona ? Satria tsy misy didy fisamborana azy. Tsy vao sambany ny tranga toy izao no miseho fa maro ihany ireo raharaha izay anokafana fanadihadiana sy hanaovana fihetsika be dia be saingy matetika tsy hita ny tohiny. Resahina matetika ihany koa ny firaisankinan’ny foloalindahy isaky ny misy toe-draharaha mafampana dia ambara hatrany fa misy io firaisankina io kanefa mahagaga dia avy ao anatin’ny tafika no matetika miseho ny fikomiana.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT