Politique

Senatera Lylison Ho avy eo Mahamasina ?


  • Zoma 24 Jona 2016

Niala tamin’ny fahanginany ny senatera Lylison de Rolland Urbain.

 

 Nameno ny tambajotran-tserasera amin’ny aterineto ny fanambarana voarakitra anaty horonantsary (Youtube) naharitra 11 minitra eo ho eo, telo andro tsy higadonan’ny fetim-pirenena, nanaovany fanehoan-kevitra mikasika ireo zava-niseho eto amin’ny firenena faramparany teo, toy ny fanafihan-dahalo namoizana ain’olona 31 sy naharatrana 17 hafa nitranga tao amin’ny sampanan’i Berenty raha hihazo an’Ankazoabo, toy izany koa ny raharaha Soamahamasina sy nitondrany fanazavana mikasika ny fanenjehana azy.

Tokony hisaona

Aminy dia tokony hanao fisaonam-pirenena isika, manoloana iny vono olona tany Ankazoabo iny. Ary tokony hosokajiana ho toy ny mpampihorohoro ny dahalo, raha tiana ny hanafoana an’io, hoy ny senatera Lylison, izy rahateo moa manamboninahitra ambony amin’ny zandarimariam-pirenena. Nambarany fa misy mpitondra sy olom-boafidy sasany miray tsikombakomba amin’ireo dahalo ireo. Nandroso hevitra ny tokony hamolavolana fehezan-dalàna vaovao mifehy ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany mifandraika amin’ny tombontsoan’ny Malagasy izy, vao miditra amin’ny raharaha toa an’i Soamahamanina, fa raha izao no mitohy, hoy ny senatera Lylison dia ho lafo amin’ny vahiny i Madagasikara, ary hiditra eto hiaro ny fananan’ny mpiray tanindrazana aminy ny tafika vahiny. Niantso ny foloalindahy tsy ho fitaovan’ny mpitondra hivarotra tanindrazana, moa ny tenany manoloana izany.

Fanapahan-kevitra politika

Momba ny fanenjehana azy ho tratra ambodiomby tamin’ny fiantsoana tanàna maty nataony kosa, dia basy atifi-kavana ny tenin’ny Senatera Lylison miantefa amin’ny lehiben’ny Fampanoavana manondro an’ity farany hoe : “Nandray fanapahan-kevitra politika”. Nanaovany karazana farateny aza, fa “Ny tantara no hitsara”. Ny fananganana governemanta tao amin’ny Carltona tamin’ny 2009 fiandohan’ny tetezamita, ny fiokoana andiana miaramila teny amin’ny BANI sy ny raharaha FIGN tamin’ny 2010 no notanisainy ho trangana tratra ambodiomby. Tratraro ambodiomby ireo tandapa manondrana volamena sy ireo mpanodinkodina volam-panjakana, hoy ity Loholona zanak’i Sofia ity.

Fihaonambem-pirenena

Manoloana ireo rehetra ireo, nitondra vahaolana ny loholona Lylison ka nilazany fa ilaina ny fanaovana fihaonambem-pirenena hanovana ny rafitra amin’ny lafiny rehetra. Hirosoana ny fifidianana aorian’izay. Nilaza izy fa ny mpitandro ny filaminana no afaka hamaha ny geja sy ny kiakiaky ny Vahoaka amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny fahantrana mianjady aminy. Ity no fisehoana voalohany nataon’ny Senatera Lylison, taorian’ny namoahan’ny fampanovana eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo, ny faran’ny volana mety, fanomezan-dalana ny mpitandro ny filaminana hisambotra azy taorian’ny nanaovany fanambarana hanaovana tanàna maty. Hipoitra vatana ve izy aorian’iny, hankalaza ny fetim-pirenena, ho avy etsy Mahamasina hisamboady miaraka amin’ireo Parlemantera namany ? Tsy tongatonga ho azy rahateo ny nisafidianany hipoitra tampoka, roa andro tsy higadonan’ny fankalazana ny fetim-pirenena.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT