Tsy honohono intsony fa dia nohamafisin’ny tonian’ny fampanoavana eny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany-Anosy omaly fa misy ary efa eny am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana ny didy fampisamborana (mandat d’arręt) ny senatera Lylison René de Rolland.
Fanohintohinana ny filaminan’ny fitondram-panjakana, fanohintohinana ny filaminam-bahoaka, antso mety hitarika savorovoro politika goavana miampy fandrisihana fankahalana ny governemanta. Ireo no vesatra iampangana an’ity loholona sady manamboninahitra zandary ity. Tena tratra ambodiomby ny senatera Lylison, hoy hatrany ny fanazavana satria ny alin’ny 23 mey taorian’ny fanambarana nataony tamin’ny onjampeo dia nisy ny andian’olona nanao sakana teto Antananarivo ka nanohintohina ny fifamezivezen’ny olona sy ny filaminana izany.Ny fitsarana ady heloka tsotra no mitsara ny raharaha tahaka izao ary sazy 1 ka hatramin’ny 5 taona an-tranomaizina, sazy mihatra avy hatrany no miandry izay manao azy.Miala avy hatrany koa izany ilay zo tsy azo samborina (immunité parlementaire) ananan’ny senatera Lylison René de Rolland satria tratra ambodiomby izy, araka ny fanazavan’ny tonia mpampanoa lalàna. Tahaka izao no ambaran’ny andininy faha-71 ao amin’ny lalàmpanorenana : “tsy misy Solombavambahoaka na dia iray aza azo enjehina sy samborina noho ny heloka bevava na heloka tsotra mandritra ny fotoam-pivoriana raha tsy nahazoan-dalana tamin’ny Antenimiera, raha tsy hoe tratra ambodiomby ». Midika io fa tsy mila maka fahazoan-dalana any amin’ny birao maharitry ny antenimierandoholona akory ny mpitandro filaminana fa afaka misambotra avy hatrany ny senatera Lylison satria fandikan-dalàna miampy fahatrarana ambodiomby no nataony, araka ny fanazavana tery ambony. Miha tery izany ny lalana ho an’ny kolonely Lylison ary efa iaraha-mahalala ihany ny fomba fanao eto amintsika fa ao anatin’ny vanim-potoan’ny ankatoky ny fety tahaka izao no mandeha ny fisamborana, hany ka tsy taitra tsy rototra ny vahoaka fa variana misomebiseby manomana fety. Dia tavela irery tsy misy mpanohana, tsy misy mpanontany eo ilay olona voasambotra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.