Mety hodinihana rahampitso talata eny amin’ny antenimierandoholona ny raharaha Lylison.
Hatreto aloha dia tsy mbola nesorina taminy ilay zo tsy azo samborina sy hatao fanadihadiana ananany amin’ny maha parlemantera azy. Mety hodinihana kosa anefa ny fanesorana io zo io, araka ny fantatra.
VALALA
Hisy ny atrikasa goavana hotanterahana ny 14 ka hatramin’ny 16 jona izao, ka handinihana ny paikady enti-miady amin’ny valala. Handray anjara amin’io ireo mpiara-miombon’antoka rehetra amin’i Madagasikara
MERCY SHIP
Handao an’i Madagasikara rahampitso talata 7 jona rehefa avy niasa teto nandritra ny 21 volana ilay sambo mpitsabo goavambe Mercy Ships. Voatetin’izy ity avokoa moa ny faritany enina tao anatin’io vanim-potoana nijanonany teto io.
TOLIARA
Hanokatra radio vaovao ao an-tampon-tanànan'i Toliara, ny Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Serasera Ramanakamonjy Guy Laurent. Efa tonga avokoa ny fitaovana ary hisokatra tsy ho ela io radio io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.