Politique

Senatera frantsay Jean Faure «Toa atao tsinontsinona ny Malagasy»


  • Alarobia 24 Aogositra 2011

Tonga nitsidika ara-pomba fifanajana ny minisitry ny mponina Nadine Ramaroson, omaly tolakandro, ny Senatera frantsay Jean Faure.

 Araka ny fanazavan’ny minisitry ny mponina, dia nanambara ity senatera frantsay ity fa «tokony hanana ny maha-izy azy ny Malagasy manoloana ny famahana ny krizy». Voalazan’i Jean Faure hoy izy fa «toa atao tsinontsinona ny Malagasy manoloana ny fanelanelanana ataon’ireo vahiny indrindra fa ny SADC». Nanome soso-kevitra araka izany ny tenany ny tokony hanapahan’ny fitondrana tetezamita hevitra sy ny hijoroany hanatanteraka ny fifidianana mba tsy haharatsy fiafara ny tetezamita.

Nandritra io fihaonana io dia nanararaotra nitatitra ny zava-misy ankehitriny izay iainan’ny Malagasy Rtoa minisitra, ary nanindry indray ny tokony hiverenan’ireo fanampiana. Raha ny tati-baovao azo, dia nilaza ity Senatera vahiny ity fa miaina anaty krizy ara-bola ihany koa izy ireo amin’izao fotoana kanefa hiady mafy mba hiverenan’ny fanampiana na dia ny «Resto du Coeur» ihany aza.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT