Politique

Senatera Fernand Jeannot Vonona hiara-kiasa amin’ireo kaominina ao Mahajanga


  • Alatsinainy 25 Janoary 2016

Avy hatrany dia asa, hoy ity senateran’ny antoko Tim lany tao amin’ny faritany Mahajanga ity.

 

Hiara-kiasa amin’ireo kaominina mandrafitra ny faritany iasany izy ary misokatra amin’ireo antoko sy ny sehatra rehetra misy ka ny asa fampandrosoana no tena voiziny. Mandry tsy lavo loha ireo vahoaka eny ambanivohitra ka hisy ny fepetra sy ny fiaraha-miasa amin’ny mpitandro ny filaminana ary ny vahoaka eny an-toerana ahafahana mametraka fandriampahalemana maharitra izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa ity senatera ity. Misedra olana anefa ny kaominina ambonivohitra Mahajanga ka nampanantena i Fernand Jeannot fa hojerena akaiky ny fomba rehetra ahafahana manampy ny ben’ny tanàna amin’ny famahana ny olana avy aminy. Tsy niandry ela ity loholona ity fa dia namory ireo mpiara-miasa aminy mba ahafahana manatanteraka ireo fanamby lehibe napetrany ireo. Hihaona amin’ireo mpitondra fanjakana rehetra ao amin’ny faritany Mahajanga izy hitondra ny tetikasany. Anisan’ireo faritra hotsidihany sy hanaovany ny tetikasa fampandrosoana any amin’ny distrikan’i Tsaratanana sy ny manodidina, indrindra ny fampandriana fahelamana ny mponina any an-toerana.

 

Tolin

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT