Nisahotaka ny HVM any Vatovavy Fitovinany, indrindra ny ao Manakara taorian’ny nandrenesan’izy ireo ny anaran’ny kolonely Botomanovatsara ao anatin’ny lisitr’ireo Senatera miisa 21 tendren’ny filohan’ny Repoblika, hanampy ireo 42 nofidiana tamin’ny 29 desambra 2015
, hameno azy ho 63 handrafitra ny Antenimierandoholona voalohany amin’izao Repoblika faha-4 izao. Tsipahin’ny HVM Manakara marindrano ny fanendrena ho Loholon’i Madagasikara an’ity manamboninahitra ambony amin’ny tafika ary minisitry ny Asa vaventy sy ny fitaterana tamin’ny tetezamita ity. Tsy nanao afa-tsy ny nanenjika sy nanaratsy ampahibemaso sy tamin’ny haino aman-jery tao Manakara ny HVM ity minisitra teo aloha ity rehefa tsy voatendry ho delegen’ny HVM tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna natao tamin’ny 31 jolay 2015, hoy ireo olomboafidy HVM tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana taorian’ny nivoahan’ny lisitr’ireo Senatera 21 omaly hariva. « Raisinay ho fanaovana tsinontsinona sy fanompana anay, nitoto nahafotsy ka nahazoan’ny HVM vokatra tsara tamin’ireo fifidianam-paritra natao hatreto ny fanendrena olona tsy nanao afa-tsy nanenjika anay, ka tsipahinay marindrano ny fanendrena azy », hoy hatrany ireto olomboafidy ireto. Mandrahona ny hanao fametraham-pialana faobe izy ireo manoloana izany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.