Politique

Senatera Berthin Andriamihaingo Mazoto amin’ny fanampiana ny tanora Malagasy


  • Zoma 10 Febroary 2017

Anisan’ireo olona mitana andraikitra ambony eto amin’ny firenena tsy mba tia miresaka firy rahaharaha politika ny Senateran’i Madagasikara, Berthin Andriamihaingo avy eny Atsimondrano.

 Mahaliana azy kokoa hatramin’ny naha mpanamory rallye kalaza azy ka hatramin’izao izy voafidy ho Senatera izao ny resaka fanampiana ny tanora hirona mandrakariva amin’ity sehatra ity. Nambarany, raha namaly nivantana ny fanontaniana navantana taminy mikasika ny fijereny ny fivoaran’ny tontolon’ny fanatanjahantena Malagasy ankehitriny, fa azo ambara ho nahomby ny taranja iombonana teto amintsika tamin’iny taona 2016 raha tsy hiteny afa-tsy ny nandrombahan’ireo tanorantsika ny amboara eran-tany teo amin’ny taranja tsipy kanetibe fotsiny isika. Nanampy izany koa ny fahombiazan’ny taranja volley-ball lehilahy sy ny taranja rugby à XV. Tsy latsa-danja noho izany koa fa nahomby ny taranja natokana ho an’olon-tokana izay nisongadinan’ny taranja Boxe Chinoise ka nandrombahantsika   ny anaram-boninahitra tompondaka eran-tany koa. Izany indrindra, hoy ity Loholona ity, no mamparisika anay mirona amin’ny fanohanana ny fanatanjahantena Malagasy amin’ny ankapobeny, indrindra ny lalao eny ifotony. Marefo dia marefo anefa ny resaka fotodrafitrasam-panatanjahantena eto amintsika ka izany no handrisihanay ny tompon’andraikitra mahefa hiezaka hanamboatra kianjam-panatanjahantena vaovao manerana ny nosy ary hanarina sy hikojakoja izay efa misy.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT