Lalao baolina kitra iraisam-pirenena, lalao miverina ampahenina ambin’ny folon-dalana amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika amin’ny ekipa tompondaka nifanandrinan’ny
Cnaps Sport solontena Malagasy sy ny Wydad Athletic Club avy any Maroc no nanaovana dokambarotra tamin’ny haino aman-jery fa hatao tao Mahajanga ny sabotsy 19 martsa. Nososohan’ny hetsika politika nataon’ny Loholona HVM, Ahmad izany, izy izay filoha am-perinasan’ny Federasiona malagasy ny baolina kitra. Toa ny azy indray aza no nisongadina tao Mahajanga io sabotsy io, noho ilay lalao tao amin’ny Kianja Rabemananjara. Nangorompotsy ny arabe, eny fa na fantatra ihany aza fa nisy fizaram-bola nanambazana ny sasany ho avy hanotrona azy. Io rahateo no fisehoan’i Ahmad voalohany amin’ny maha filoha lefitry ny Antenimierandoholona faritanin’i Mahajanga azy. Ny hafa indray moa milaza fa efa fampisehoan-kery ny amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 2018 ity niseho ity.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.