Tsy azo lazaina ho milamina ny tontolon’ny fampianarana ao Vakinankaratra raha ny fanambarana azo eto am-pelatanana.
. Namaly bontana ny fanambaran’ny fanjakana mantsy ireo mpikambana SEMPAMA Vakinankaratra fa tsy handray baiko mihitsy izy ireo raha tsy avy any amin’ny foiben-dry zareo ihany manomboka izao. Tsy mampihemotra azy ireo ny filazana fa hoterena hiasa toy ny mpitsabo izy ireo satria tsy mitovy ny sehatra iasana. Ankoatra izay dia naverin’izy ireo fa tsy misy afa-tsy ny SEMPAMA irery ihany tao anatin’ny 42 taona no niady ho an’ny tombontsoan’ny mpampianatra mpanabe teto anivon’ny ministeran’ny fampianarana. Nandritra izay repoblika nifandimby izay kanefa dia tadiavin’ny sasany atao izay hampanjavona azy ireo noho ny fitiavan-tena sy fitiavam-bola. Nokianin’izy ireo manokana ireo mitonona ho SEMPAMA kanefa mifanohitra amin’ny fitakiana no ataony ka nolazain’izy ireo fa mpitady tombontsoa manokana ireny ary tsy ny fototry ny olana amin’ny tontolon’ny fanabeazana sy fampianarana no takian’izy ireny.
Manentana ny ray aman-dreny hatrany izy ireo tsy ho sodokan’ny fanemorana ny fanadinana. Na voalaza aza fa vita ny fandaharam-pianarana dia entina hanenjehana fanadinana fotsiny izany fa tsy tafita araka ny tokony ho izy any amin’ireo mpianatra. Nambaran’izy ireo fa iharan’ny antsojay tanteraka ireo mpitarika avy ao Antsirabe II amin’izao fotoana ka rahonana hafindra toerana. Na izany aza dia nohamafisin’Atoa Andriamandroso Oliniaina, mpandrindram-paritry ny SEMPAMA fa tsy hihemotra hatramin’ny farany izy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.