Raikitra fa hiroso amin’ny fitokonana ireo mpampianatra sy mpanabe any amin’ny Cisco Tolagnaro, DREN Anôsy iny.
Marihina fa efa tsy nampianatra andro maromaro ny any amin’ireo EPP sy CEG sasany any an-toerana. Tsy hampianatra izy ireo manomboka izao raha tsy voavaly ireo fitakiana ataon’ny mpampianatra mivondrona ao amin’ny sendikan’ny mpampianatra mpanabe malagasy manerana ny Nosy. Hisy fivoriambe hataon’izy ireo ao amin’ny efitrano malalaky ny EPP Amboanato, anio alarobia tolakandro, hanamafisana ny fanapahan-kevitra, hoy ny mpitarika. Handamina ny hetsika sy hametrapetraka izay tokony hatao hampahomby ny tolona no fandaharam-potoana amin’izany. Hatreto aloha mbola ny ao an-tampon-tanàna ihany no miketrika ny hetsika. Tsy fitiavana hampijanona ny fampianarana, hoy ireto mpampianatra mpanabe ireto no anton’izao fitokonana izao fa noho ny be marenina sy ny fiangarana ataon’ny FAT. Rehefa ny miaramila sy ny zandary ary ny fitsarana no mitaky izay tadiaviny, mailaka ery ny fitondrana ny mamaha olana, mitobaka ny vola. Noho izy ireo mitam-basy ka atahorana ve no anton’izany ? Aoka hazava amin’ny fitondrana ankehitriny, hoy ry zareo fa tsy tokony hisy ny mizana tsindrian’ila eo amin’ny ministera tsirairay.
Mahakasika ny ramatahora nataon’ny filohan’ny FAT tany Morondava ny faran’ny herinandro teo kosa indray, dia nilaza ireto mpampianatra any Tolagnaro ireto fa tsy hampihemotra ny tolon’izy ireo izany. Eto Antananarivo dia mihamafy ny fitakian’ny SEMPAMA izay mifamotoana tsy tapaka etsy amin’ny “Kianjan’ny 90 Ariary”, tokotany malalaky ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, na tapaka na nisy nanapaka aza ny herinaratra nandefasana ireo fanamafisam-peo nampiasain’izy ireo omaly, ka dia megaphone no nifampizaran’izy ireo vaovao sy nanaovana fanentanana. Ankoatra izay dia miato ny fampianarana etsy amin’ny Lycée Rabearivelo - Analakely. Tonga ao an-toeram-piasana ihany ny mpampianatra fa tsy misy fampianarana mandeha. Hatreto dia tsy nahomby ny vahaolana naroson’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, Pr Manoro Régis, tany amin’ny minisitry ny fitantanam-bola sy ny tetibola, heverina hamahana ny fitakian’ireo mpampianatra mpanabe. Raharaha mitohy, araka izany, ilay izy.
Natiora OTH
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.