Mitatra hatrany amin'ny faritra atsimo atsinanan'ny Nosy ny fitokonan'ireo mpampianatra.
Mitombo isa isan-kerinandro ireo sekoly mikatona, na Epp io, na Ceg na lisea. Efa mazava anefa ny tenin'ny minisitry ny vola fa tsy afaka manome fahafaham-po azy ireo ny fitondrana tetezamita satria volabe no tsy maintsy avoaka ao amin'ny kitapom-bolam-panjakana, raha toa ka ekena ny fitakian'ny SEMPAMA. 131 ka hatramin'ny 210 miliara Ariary io vola io. Tsy hoe tsy manana an'io vola io ny fanjakana, fa kosa mbola misy ny laharampahamehana hafa tsy maintsy hatrehana. Etsy ankilan'izay anefa dia hentitra ny mpampianatra fa mitohy ny fitokonana raha toa ka tsy misy ny fifanarahana mazava an-taratasy ny fanatanterahana ny fitakiann'izy ireo. Moa tsy resaky ny moana sy marenina ity raharahara ity ! Ahiana hisy akony ratsy dia ratsy amin'ny fampianarana eto Madagasikara izy ity.
Ny mampatahotra dia ho lasa toy ny eny amin'ny oniversite ny taom-pianarana, tara efa ho telo volana ny fanadinana, mbola ankamantatra avy eo ny famoahana ny valiny, ary mbola tsy fantatra indray izay daty hanombohan'ny taom-pampianarana vaovao. Hanakorontana tanteraka ny fampianarana eto Madagasikara izany raha toa ka mitranga, ary dia ho sahirana amin'io ny fitondrana tetezamita satria matanjaka dia matanjaka izany fianakaviamben'ny mpampianatra izany rehefa tena miara-mientana mihetsika. Efa fanombohany izao miseho izao. Raha tafaresaka tamina mpampianatra vitsivitsy izahay dia tsotra ny nambaran'izy ireo : "zonay feno no takianay, tsy mila vanona izahay ary tsy handany andro amin'ny resaka politika izany. Nahavita nahita vola haingana ho an'ny miaramila ny fitondrana tetezamita, manam-bola hanorenana hopitaly sy kianja manara-penitra isam-paritra, nividy fiaramanidina Airbus roa be izao, ary nanamboatra sy mbola hanamboatra lalana. Ka nahoana no milaza fa tsy manam-bola omena ny mpampianatra ?" Noheverin'ny mpitondra fanjakana fa tsy ho lasa lavitra ny hetsiky ny SEMPAMA, kinanjo izao efa manomboka mahavita mampikatso ny fampianarana amin'ny sekolim-panjakana, amin'ny faritra maro manerana ny nosy izao. Maro anefa no mahita fa azo nosorohana tsara ny fitaran'ity fitakiana ity, raha toa ka nahay nandamina sy nikaroka vahaolana haingana hatrany am-boalohany ny fitondrana tetezamita.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.