Niakatra ny maripanan’ireo mpampianatra mpiasam-panjakana sy mpampianatra FRAM ao Amoron’i Mania ka niray feo fa hanakatona ireo sekolim-panjakana mbola nisokatra hatramin’izay.
Nohamafisina fa tsy mbola mahazo mampianatra mihintsy aloha satria tsy mbola voavaly 100% ny fitakiana natao. Nivoitra ireo ny andron’ny 01 mey fetin’ny asa teo tao amin’ny “Kianjan’ny 90 Ariary” EPP Alakamisy Ambositra nandritra ny fambolen-kazo fihinam-boa miisa 30 fototra sy fanadiovana niarahan’ireo mpampianatra manao fitakiana ao Amoron’i Mania. Nisy ny fihainoana ny tatitry ny dian’ny solontenan’ny SEMPAMA tao Amoron’i Mania, Randrianarimanga nihaona tamin’ireo minisitera roa taty Antananarivo nandritra io fotoana io saingy tsy afa-po tamin’ny valin-tenin’ireo tompon’andraikitra ny mpampianatra ka nanapa-kevitra fa hanohy ny fitakiana. Tsy mbola vonona hamaha ny olan’ny mpampianatra ny fanjakana, hoy ireto mpampianatra ireto ka tsy hampitsahatra ny tolona.
Nambaran’izy ireo ihany koa fa mpiara-mitolona amin’ny mpampianatra mpiasam-panjakana ny mpampianatra FRAM ao Amoron’i Mania hatramin’izao na dia efa misy aza ny olona sasany efa manentana ireto farany hanohy ny fampianarana. Nitohy ny alarobia 02 mey sy omaly alakamisy ny fitokonan’ireo mpampianatra. Ny eto Antananarivo dia mihamafy ny fitokonana ataon’ny SEMPAMA. Etsy ankilany dia nidina an-dalambe fanindroany omaly ireo mpianatry ny lycée. Nihodidina an’i Mahamasina ry zareo omaly, izay andro tsena.
Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.