Politique

Semineran’ny ankolafy Zafy Nahemotra anio maraina ny famoahana ny fehin-kevitra


  • Alarobia 10 Jolay 2013

Tsy tontosa omaly araka ny voafaritry ny fandaharam-potoana ny famoahana ny fehinkevitr’ilay seminera roa andron’ny ankolafy Zafy Albert notontosaina tetsy Andrefan’Ambohijanahary.

Ny antony, hoy i Manoro Régis dia noho ny fahatongavan’ny iraky ny SADC eto ka tiana hipaka tsara any am-pototsofin-dry zareo ny zavatra tinapaka teto ka nifanaraka ny rehetra fa hatao rahampitso (anio) ny famaranana ity fivoriana ity ary raha vantany vao tafavoaka ny fehinkevitra dia aterina mivantana any amin-dry zareo fa izy no tokony handray fanapahan-kevitra hampiharana ny tapaka tamin’izany. Nohamafisin’Atoa Kotomanantsoa Rémi mpitarika ny GREF federalista izany tamin’ny filazany fa paikady hampitana mivantana ny fehin-kevitra ho ren’ny solontenan’ny SADC izao fanemorana ny famoahana ny fehinkevitry ny dinika izao.

Tsy maintsy hotanterahina, hoy izy ny fifidianana lalàmpanorenana amin’ity 2013 ity, ka mety ho 2 na 3 na mihoatra no hisafidianan’ny vahoaka amin’izany ary mino aho fa mbola afaka manao fifidianana iray hafa isika aorinan’izay. Raha ny marina dia efa hevitra mitovy novoizin’ny avy any amin’ny Faritra samihafa eto amin’ny Nosy izany ary efa nifampiresahan’ny Pr Zafy Albert sy i Andry Rajoelina koa fa tsy maintsy nentina anaty fivoriambe hampanan-kery azy tsara amin’ny ara-dalàna. Any aorian’ny dinika hotarihan’ny FFKM dia azo heverina ny hidiran’ny ankolafy Zafy Albert sy ny ankolafy Ratsiraka anaty rafitra fiaraha-mitantana, hoy Atoa Kotomanantsoa Rémi.
 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT