Politique

Sekretera Jeneralin’ny TIM Nosoloina an’i Rina i Olga Ramalason


  • Alarobia 12 Febroary 2020

Maro ireo tanora mahay sy mahalala ary vonona hijoro sy hamelomaso hatrany ny Antoko TIM ka nosafidiana i Rina Randriamasinoro

 

 

 

ho sekretera jeneraly ary ny depiote Fidèle Razarapiera kosa no hisahana ny serasera. Tsy mora ny adidy sahanin'izy ireo ka mirary soa azy aho hahavita be, hoy ny filoha nasionalin’ny TIM Atoa Marc Ravalomanana. Ho avy kosa ny fifidianana izay ho filoha lefitra isaky ny Faritany ato ho ato. Sady sekretera jeneraly no handrindra ny Rodoben’ny Mpanohitra indray manomboka eto ny loholona Olga Ramalason. Napetraka ho sekretera jeneraly vonjimaika moa izy ny 8 aprily 2019, rehefa nametra-pialana Atoa Olivier Donnat Andriamahefamparany.  Hitondra ainga vao sy hamelo-maso ny Antoko TIM no andraikitra hosahaniko ka voninahitra ho ahy no hanantateraka izany. Tsy ho vitako izaho samirery anefa izany raha tsy misy ny fifanampiana eo amin’ny rehetra, hoy kosa i Rina Randriamasinoro. Midika io fa manova paikady ny TIM amin’ny fiatrehana ny raharaha politika eto. Re fa mbola hisy ny fivoriam-be hataon’ny antoko atsy ho atsy, ka andrasana izay fehin-kevitra sy fanambarana hataon’izy ireo. I Rina Randriamasinoro, izay kandida ben’ny tanàna teto Antananarivo izany izao no laharana faharoa amin’ny fitarihana ny TIM aorian’i Marc Ravalomanana. Napetraka ho sekretera jeneralin’ny kaominina izy nialoha ny naha Kandida ben’ny tanàna azy. Midika ve io fa mety ho izy no kandida filoha hatolotr’ity antoko ity amin’ny 2023 na aorian’izay satria mbola manana ho avy politika lavitra ny tenany raha jerena amin’ny taonany?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT