Politique

Sekolim-panjakana Ahiana hikorontana ny fampianarana


  • Alatsinainy 27 Febroary 2012

Marary ny fanabeazana Malagasy, indrindra ny sehatry ny fanjakana.

 Raha efa lasa fahazarana izany eny amin’ny anjerimanontolo miankina amin’ny fanjakana izay mbola miato ny fampianarana hatramin’izao, dia sambasamba kosa no mety hisianny eny anivon’ny fanabeazana fototra sy ny ambaratonga faharoa. Mandrahona ny hanao fitokonana fanairana mandritra ny 3 andro manomboka anio alatsinainy mantsy ny sendikan’ny mpampianatra SEMPANA izay manana mpikambana 26.000 manerana ny nosy. Nifarana ny zoma lasa teo ny fe-potoana nomen’ity sendika ity, ny ministera hamaliana ny fitakiana ka rehefa tsy nahazoam-baliny dia nanambara Raharivoatra Claude, filohany ny sabotsy teo fa hiroso amin’ny fampiantohana ny fampianarana izy ireo.

Andrasana raha hanaraka ny hetsika ireo mpampianatra mpiasam-panjakana. Ny fanoloana lehiben’ny fampianarana eny anivon’ny faritra na Dren sasantsasany amin’ny alalan’ny olona tsy teknisianlna akory, ny famindran-toerana mpampianatra amin’izao telo volana faharoan’ny taona izao ary koa ny tsy fandoavana ny tambin-karaman’ny fitsarana ny fanadinana cepe sy bepc taona farany teo ary misy aza efa tamin’ny taona 2010, no antony mahatezitra ny sendika ka mahatonga izao hetsika izao. “Tsy mba nangataka na inona na inona izahay, nandritra izao Tetezamita izao fa nitondra ny anjara birikinay amin’ny fanatsarana ny fampianarana aza tamin’ny alalan’ny famoahana soso-kevitra tapaka nandritra ny filankevitra nasionaly, tamin’ny oktobra 2011. Ankehitriny anefa dia toa kitikitihana izahay mba hihetsika”, hoy Raharivoatra Claude.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT