Politique

Sehoseho ivelan’ny fanjakana Azo raisina fa tsy mitombina


  • Alakamisy 24 Janoary 2019

Malalaka amin’ny fanatanterahana ny veliranony i Andry Rajoelina amin’izao. Maro ny zavatra nampanantenainy ny olona na am-bava na an-tsoratra.

 

 Tena vonon-kiasa sy hifanome tanana ny amin’izany ihany koa ve ny olona ? Tsy bokotra tsindriana mantsy ka handeha ho azy. Marina fa faly ny mpanatrika rehefa nisy zavatra nampanantenaina azy tamin’ny fampielezan-kevitra satria zavatra tsara ireny amin’ny ankapobeny. Tsy manana fotoana hieritreretana firy rahateo fa rehefa mandinika sy mamakafaka elaela vao mety ho tonga saina fa mety tsy hisy fiantraikany amin’ny fiainany sy ny asa fihariana akory ny zavatra ampanantenaina. Raha namorona ny vina sy ny veliranony dia saika ny vazaha tao an-damosiny no niara-niketrika sy namolavola azy. Tena hifanaraka amin’ny filan’ny Malagasy tokoa ve ? Nandeha ireny ny resaka building, tanàna Tanamasoandro,… izay tsy ny vahoaka madinika sy sahirana aloha no heverina fa hahazo avara-patana amin’izany fa ny manan-katao. Tsy tonontononina foana rahateo io hoe izay tsy vita tao anatin’ny 58 taona dia hovitaintsika ao anatin’ny 5 taona, ary tsy ampahafirin’ireo efa nitondra teto izy. Mila vahoaka resy lahatra sy vonona hifanome tanana io. Tsy haitraitra sy sehoseho ivelany hoentina hilazana fa miasa sy manao zavatra ny fitondram-panjakana. Raha ny karazana asa sosialy sokajiana ho tsy lavitr’ezaka sy ny vahaolana tsy maharitra toy ny resaka vary mora indray, dia tsy azo hireharehana satria efa anjara asan’ny mpitondra izany. Mila vahana ireo olana ara-tsosialy lehibe, ny fidangan’ny vidim-piainana, vidin-tsolika, vidin-jiro sy rano sy ny olana mbola sedraina amin’izany … vao miditra amin’ireo sehoseho ivelany sy zavatra tsy misy fiantraikany amin’ny besinimaro. Ao anatin’ny laharana faharoa amin’ireo velirano 13 rahateo, ohatra, ny angovo sy rano fisotro madio ho an'ny rehetra. Ny olan’ireo mbola vitsy an’isa misitraka izany aza tsy voavaha ka amin’ny fomba ahoana no hisitrahan’ny besinimaro ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT